« | »

Lasa ilay mpanjakan'ny "Pop"

2009-06-26 @ 09:22 in Eritreritra mandalo

Omaly alina dia efa niparitaka tao amin'ny twitter ny honohono hoe nodimandry i Michael Jackson. Betsaka ny mbola tsy nino satria tsy mbola tena nivoaka ofisialy ilay vaovao. Heno fotsiny hoe tratran'ny arrêt cardiaque kanefa mbola notsaboina sy nafindra hopitaly mihitsy... mbola nialàna nenina. Ora vitsivitsy taty aoriana anefa dia nambara ofisialy fa maty tokoa izy. Na teo aza ireo vaovao niely somary tsy dia tsara mikasika azy tao anatin'ny taona vitsivitsy izay dia mbola mijanona ho mpihira nalaza hatrany i Michael Jackson. Ny kapila Thriller rahateo no mbola be mpividy indrindra eran-tany hatramin'izao.

Miondrika eo anatrehan'izao olo-manga iray nandao ny tany izao koa aho. Anisan'ny nankafiziko ireo hirany sy ny firotsahany an-tsehatra hiaro ny ankizy. Ireo asa sosialy izay nataony ka nahatonga ny resa-be, na marina na tsy marina, nikasika azy.

Rehefa mbola velona tokoa ny olona dia tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka ny fandio iray siny fa rehefa maty kosa vao ra-malala

Mandria am-piadanana

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry