« | »

Mbola hifototra ny jiolahimboto

2009-03-17 @ 14:52 in Politika

Tsy resy lahatra aho amin'ny hilaminan'ny politika ao Madagasikara ao anatin'ny 2 taona farafahakeliny raha mandray fitondrana ny TGV. Tadidinareo ve hoe naninona ny MFM no tsy nahazo fitondrana mihitsy hatramin'izay niforonany izay? NY MFM/MFT an'i Manandafy Rakotonirina hatramin'izay no nitarika tolona teto Madagasikara. Hatramin'ny 1972, 1991 sns. Mitarika foana ry zalahy fa tsy tonga hatramin'ny farany satria matetika dia loham-boto izay afenina ao anatin'ilay teny hoe "Tolom-bahoaka" no ataony.Hatramin'izay tokoa dia miainga avy amin'ny MFM izay matetika manararaotra kely ny fihetsehan'ny mpianatra eny @ Oniversité ny tolona. Dia avy eo misy mandray an-tanana tampoka. Satria tsy avelan'ny olona hitondra firenena ny olona mpitolona. Hafa ny mitolona, ary hafa ny mitondra firenena.

Azo alaina sary antsaina sahady ary hoe iza marina no tena hitondra raha tafakatra eo ny TGV. Sarotra ihany ny hino hoe hitondra sy hahazo toerana daholo ireo mpitari-tolona ireo, i Andry ao anatiny. Tsy maintsy ho tonga tampoka ny mpandray fahefana izay heken'ny maro ho marimaritra iraisana. Dia hanilika tsikelikely ireo mpitolona nahavita adidy.

Izay indrindra no tsy hampilamina ny firenena ao anatin'ny 24 volana manaraka satria tsy vondrona milamina tahaka ny MFM ny TGV. Mora hatrany ny nanilika ny MFM hatramin'izay fa ho sarotra kosa ny hanilika ny TGV. Vao nahita an'i Jacques Sylla niverina fotsiny aza ry zareo dia efa niaka-pofona. Dia eritrereto hoe hiverina tsikelikely amin'izay ny dinaozaoro dia hiteny hoe mialà amin'izay nareo fa ho avy izahay. Tsy hanaiky velively ny hahilikilika ireo jiolahimboto ireo fa tsy maintsy mba hihinana izay anjarany ihany koa.  Fa raha manandrana manilika an'ireo dia hifoteran'ny rambony.

Ho hita eo ihany

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry