« | »

Ny hoavin'i Andry TGV

2008-01-16 @ 11:24 in Politika

Talohan'ny fifidianana aho dia efa naneho ny tsy fankasitrahako ny hidiran'i Andry TGV eo amin'ny fitondrana ny tananan'Antananarivo. Tsy fankahalana manokana azy izany ary tsy fitiavana manokana ny hafa ihany koa fa fitsinjovana ny mety ho tsimbadika politika sy ny hoavin'ny tananan'Antananarivo ihany. Herinandro vitsivitsy izao no nipetrahany teo amin'ny fitondrana ny tanàna. Tsy mbola ampy hitsarana azy kanefa efa miseho sahady ny mety ho taratry ny zavatra hisy atsy ho atsy.

Efa manomboka sahady mantsy izao ny filazana fa betsaka ny manembatsembana ny tetikasany. Mety ho marina izany saingy ny fianteherana sy ny fampisehoana izany dia fialantsiny avy hatrany hoe raha tsy vitany ny asany dia vokatry ny sembantsembana ataon'ny hafa. Mandritra ny fotoana hipetrahany eo amin'ny fitondrana izany dia tsy maintsy hisy an'izay fitarainana izay hatrany, satria tsy maintsy hisy hatrany ny mpanembantsembana, na avy ao anatiny na ny avy any ivelany. Tsy vao izy no mpanao politika nisy mpanembantsembana ary efa fantany rahateo fa tsy maintsy ho izany no hitranga.

Vokatr'izany dia mety tsy handroso mihitsy Antananarivo. Efa niantso ny rehetra hanampy azy i Andry TGV. Mety hisy hanohana ny antsony ny olona. Saingy hahavita inona anefa izany? Ary raha manohana ny antso ataony ny olona ka misy mpanembatsembana indray? Ary inona ny fanamby hasehony hoe azo itokisana izy amin'ireo fanampiana izay ataon'ny tsirairay?

Rehefa tsy mandroso Antananarivo dia ny ben'ny tanàna no ho halan'ny olona amin'ny fifidianana manaraka. Eo no mety hahasimba ny hoavy politikan'i Andry TGV. Efa azo antsaina mantsy fa tsy hijanona fotsiny amin'ny fitondrana an'Antananarivo izy fa hitady lalana ambonimbony kokoa. Ka ho avy amin'izay ny tsikera hoe Antananarivo aza tsy vitany vao maika fa Madagasikara?

Koa mbola hamafisiko fa tsy fahamatorana politika no nilatsahan'i Andry TGV ho ben'ny tanàna. Efa azoazony antsaina ihany fa ho lany tampoka izy, ary nisy fitiavan'ny vahoaka azy ihany. Azony notehirizina hampiasaina amin'ny fotoana mahamety azy kokoa izany fa tsy amin'ny firotsahana ho filohan'Antananarivo mbola eo ambanin'ny fitondran-dRavalomanana.

Dia ahoana izao no ho tohiny? 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry