Vakansy ihany :-)

2008-07-25 @ 08:24 in Izaho sy ny ahy

Manomboka rahampitso aho dia vakansy mandritra ny andro maromaro. Efa tsy andry intsony ny hiravana androany (tsisy mahay teny gasy ato am-piasana). Inona ny vinavina? Hapetrako eto ihany dia hojereko amin'ny septambra rehefa miditra hoe inona no vita :-p

 

  • Mamita sy mamoaka ilay CMS vaovao hiantoka ny fampandehanana ny serasera atsy ho atsy
  • Mamita ny fanavaozana sites-n'olona mbola vary mangatsiaka (misy 3 izy ao)
  • Mamita ny template-n'ny telomiova.org (oups... fa angaha moa tsy vakansy?)
  • Mamita ny Tetikasa 3 vaovao an'ny serasera (Sarintava, Antsary sy Vaovao)
  • Manatrika ny Fihaonan'ny Serasera eto Roma 
  • Mandeha eny amin'ny ranomasina sy eny amin'ny ranotsimasina
  • Mijery an'i Batman sy Wanted (mbola tsy hitako foana)
  • Hanao bbq matetika (anche da solo)... efa hita ny fika.
  • Mandeha amina toerana vitsivitsy eto Italia (Nepi, Calabria)
  • ...
Inona izany no tsy atao? Tsy mivoaka an'i Italia satria vao tany Dago indroa (raha tsy hoe...). Tsy mamaky boky (m'enfin). Tsy manao spaoro (hatory maraina). Tsy mody alinia (fa hijery télé). Tsy misotro beks (fa hanatavy tena sy handany Coca).

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry