Famintinana ny vakansy 2011
Vita indray iny ny fotoam-pialan-tsasatra. Tamin'ity taona ity aho no tena tsy nahavita n'inona n'inona indrindra. Isan-taona mantsy dia misy zavatra mivaingana kely foana mba ataoko, fa vokatry ny tsy fanomanana angamba dia aotra tamin'ity. Zara raha nanitsy kely ny rakibolana.org sy nanavao ny takelaka.org fotsiny.
Nandritra iny fialan-tsasatra iny izany dia niezaka nitrandraka sy nizaha ireo toerana manodidina ny toerana misy anay no tena natao. Tsy dia tany an-dranomasina loatra satria amin'izao, hatramin'izay nialana tany Roma izay, dia mandeha 100km vao mahita ranomasina... Ny gasoil efa lafo. Misy toerana vitsivitsy mahaliana rahateo eto an-toerana.
Tany an-tendrombohitr'i Monte Livata, ohatra, dia tsara rehefa ilay mafana iny ny andro. 15km miala ao an-trano fa fiakaram-be Misy tany malalaka be, misy hazo koa, dia tonga dia misy fatana ho an'izay te hitono hena...
Farihin'i Turano (eny, misy "rano" ilay anaran-tany) izay 50km fotsiny. Farihy artifisialy lehibe. Azo ilomanosana tsara. Tsy dia be olona toy ny any Bracciano, ilay niarahana tamin'ny serasera. Efa nifaramparana ny vakansy vao hita ilay izy, tamin'ny google maps. Afa-po tsara tany tamin'ny lomano. Ny tora-pasika any fotsiny no feno vatokely ka mila mitondra kapa... ary tsy afaka tena manao ladina an-tany rehefa mitsilailay... raha tsy hoe mitondra kidoro :-)
Ny teo an-tanàna moa dia fety isan-kariva. Izay no mahafinaritra ahy mipetraka any am-banivohitra. Rehefa fotoam-pialantsasatra dia misy fety foana, ary maharitra hatramin'ny aorian'ny misasakalina. Karazam-pety, ao ny hirahira, ao ny tsena, ao ny fisakafoanana, ao ny fetim-piangonana. Dia faranany amin'ny afomanga hatrany.
Nahafinaritra iny 3 herinandro iny. Raha atambatra tamin'ny fotoana azoko tamin'ny desambra izay nandehanana tany Madagasikara izany dia nahatratra 10 herinandro ny fotoana fialantsasatra tamin'ity taona ity :-). Aleo tsy mimenomenona...
Hevitra