« | »

Io famadihana io

2011-07-26 @ 07:04 in Izaho sy ny ahy

Zavatra iray izay iainan'ny tena mivantana mikasika ity resaka famadihana ity no nanosika ahy hanoratra sy hamerina handinika indray hoe inona marina no mbola mahatonga ny Malagasy hamadika.

Fotoanan'ny famadihana tokoa izao. Ho an'izay tsy mahalala dia fomban'ny Malagasy sasany amin'ny faritra afovoan-tany izany. Fanokafana ny fasana sy famonosan-damba indray ny razana. Matetika mantsy dia itambarana hatramin'ny razam-be mifandimby ny fasana... Io ilay hoe "Maty iray fasana", ka nilaina ny fandaminana ny razana mba tsy ho feno vetivety. Angonina sy averina fonosina ho kelikely kokoa mba hahafahana mitsitsy toerana. Tsy atao matetika io fa isaky ny dimy na fito taona, arakaraka ny fomba. Noho izany dia ilazana daholo ny taranaka amin'ilay fotoana fisokafan'ny fasana mba samy handamina ny razambeny. Manana adidy ny tsirairay satria fasana iombonana.

Vokatr'io fanasana ny taranaka rehetra io dia tsy maintsy nisy ny fiaraha-misakafo. Ary mandritra ny andro vitsivitsy izany, fotoana izay maha eo an-toerana ny rehetra. Mba hialana amin'ny fandaniana be loatra dia ny eo an-toerana no mikarakara ny sakafo itambarana. Kisoa na omby no vonoina amin'izany arakaraka ny habetsaky ny olona. Mazava ho azy fa samy mandray anjara amin'ny vidin-tsakafo ny fianakaviana izay tonga.

Famadihana iray
Famadihana manoloana ny fasana (Sary Andry Rungi (c))


Taty aoriana dia niha nivelatra be ny fianakaviana. Nitombo koa noho izany ny fiaraha-misakafo ka nanjary lanonana manokana mihitsy. Nitombo ny vola hampiasaina. Nanjary laza sy rehareha nitsarana ny mpikarakara ny hoe "nahavoky olona". Nanjary nisy ny fifaninanana sy fisehosehoana. Nanjary fandaniam-be ny famadihana. Nanjary nametra-panontaniana ny taranaka aty aoriana hoe ilaina ve ny famadihana? Nahoana no voatery hanao fandaniana? Maninona no tsy omena ny velona izay miha-mahantra ny lany amin'ny famadihana ny maty izay tsy mila izany intsony?

Mba nandalo tao antsaiko koa izany fanontaniana izany. Marina fa nahafinaritra hatrany ny famadihana. Fihaonana amin'ny fianakaviana rehetra, sakafo be, fety, hiragasy... Saingy hitako fa vola be foana koa no lany. Ankoatra ny saran-dalana, ny vidin'ny lamba mena izay lafo tokoa, ny fikarakarana isankarazany, dia teo koa ny adidy "atero ka alao" izay vola tsy maintsy omena. Ary tsy maintsy atao lanja miakatra, izany hoe mihoatra kely noho izay nomen'ny olona anao no omenao olona. Koa tamin'ity taona ity, izay ny fianakaviako mihitsy no anisan'ny handray tantana satria ny raibe no havadika, dia mbola naveriko tamin'ireo ray aman-dreniko indray hoe nahoana no tsy maintsy hanao izany fomba izany?

Ny tena nanaitra ahy tamin'ny valiny azoko dia hoe i mama no tena namaly sy nanazava azy. Izy anefa dia avy amin'ny fianakaviana tsy mamadika. Izany hoe nahalala tsara ny antony tsy namadihany, ary hatramin'izao dia mbola tsy mamadika ny avy any aminy. Ka ho azy dia zavatra roa no nanosika azy. Eo aloha ny faharesen-dahatra vokatry ny firaisan'ny mpivady. Raha mbola i papa no resy lahatra dia tsy maintsy hanao koa i mama. Io aloha dia hiderako an'i mama amin'ny lafiny rehetra. Tsy ilay hoe manak'efa fotsiny, fa mandray ilay faharesen-dahatra ho azy mihitsy. Efa nasehony izany amin'ny resaka finoana. Na dia protestanta aza izy talohan'ny nivadiandry zareo dia izy indray izao no anisan'ny tena katoloka mafana fo ao an-trano. Dia toa izany koa, inoako, no anisan'ny nijereny akaiky ity resaka famadihana ity ka nanomezany ahy ireto antony ireto:

- Fifankatiavana. I papa, dia ao anatin'ny fianakaviana misy 6 mianadahy. Raha manapa-kevitra ny 5 mianadahy ka tsy resiny lahatra tsy hanao ilay famadihana dia mba hanehoana ny fitiavany ireo mpiray tam-po aminy dia miaraka amin'izy ireo izy.
- Adidy: anisan'ny mikarakara sy mandray ny vokatra amin'ny ampaha-eniny amin'ny tanim-bary sy tany any ny fianakaviana, ka manana ny adidy mifandraika amin'izay ihany koa.
- Tanindrazana: any no mbola tanindrazana. Misy ny fananan'ny tena. Tsy afaka ny hiolonolona satria ny olona eo an-toerana ihany no karamaina matetika rehefa mikarakara ny tany.
- Fasan-drazana: any no toerana hilevenana. Raha mbola tsy vonona hisaraka amin'ny mpiray tampo, hanao fasana manokana, dia mila mandray anjara amin'izay hetsika momba ny fasan-drazana.
- Mbola vita: Raha tsy dia lafo loatra fa mbola vita dia tsy mampaninona loatra. Efa nifidy ny fomba tsotra sy mora indrindra izy ireo.
- Tsy ho an'ny maty loatra: mikorotandrontana ny mpiray tampo ka fomba iray hivondronan'ny rehetra io.

Koa dia tapa-kevitra izany fa handray anjara amin'ny famadihana ny fianakaviana.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry