« | »

Ton amour, mon péché

2013-03-29 @ 14:20 in Tsiaro, Izaho sy ny ahy

ton amour, mon péché

Sary hitako tatsy amin'ny tavamboky tatsy ito fa tsy aritro satria mampatsiahy zavatra anisan'ny tsaroako tany amin'ny faha 3 na 4-taonako tany. Tadidiko tsara ny sekoly nianarana ary taona iray ihany aho nianatra tao ka tsy maintsy marina io 3 na 4 taona io. Tsy nisy olona hafa nitantara azy tamiko koa ka izay no hahazoako antoka fa tena ny fitadidiako no nahatsiarovako azy. 

Tao amin'io sekoly io ary dia tonga mialohan'ny fidirana hatrany ny ankizy dia mandahatra kitapo amin'ny tany aloha dia samy milalao, fanenjika, sabaka sns. Rehefa maneno ny lakolosy fidirana vao mamonjy ilay filaharana teo amin'ny kitapo dia ampidirin'ny mpampianatra. Matetika dia toa ireny nandahatra harona rehefa milaha-bary ireny, izay tonga aloha dia mametraka kitapo voalohany ary tsy misy misongona.

Taty aoriana dia tsy haiko izay nahalalako hoe misy bonbon café, ilay somary lavalava tahaka ny batonnets ireny, tao anatin'ny paosin-kitapon'izay ankizy vavy izay. Tsy tsaroako intsony ny anarany. Ny kitapony amin'io ilay kitapo mavesatra be ireny, ary misy paosy be ihany koa. Isaky ny avy mandahatra kitapo izy ka milalao dia fantatro foana hoe misy bonbons indray ao anatin'ny paosin'ilay kitapo dia alaiko ny roa, dia ny telo sisa no ajanoko ao. 

Mahagaga fa isanandro isanandro ary tsy mitombo na mihena ny isan'ny bonbons fa 5 foana. 

Fantany ve hoe alaiko foana isanandro ny bonbons-ny? Fanahiniany atao ao amin'ny toerany foana ve mba ho ahy? Fitiavany ahy ve izany? Ny fitiavany izany no mba fahotako kely :-)

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry