Izaho sy ny sarimihetsika

2007-02-28 @ 08:48 in Izaho sy ny ahy

Manararaotra manoratra an'ity aho satria nametraka an'ilay resaka Cin Cin Cinema atsy amin'ny malagasy.it (takelaky ny Malagasy eto Italia). Izaho dia anisan'ny olona tia sarimihetsika hatramin'ny mbola kely... angamba azo sokajiana hoe Cinephile. Mety maro ny lafy ratsiny fa ny lafy tsara hitako dia ny fisokafana amin'ny hafa... toy ny kolotsaina hafa, fitenenana hafa, fomba amam-panao hafa. Tahaka ny hoe ianao mihitsy no mivezivezy any amin'ny fiaraha-monina samihafa.

Tadidiko tamin'ny mbola kely, nianatra tao amin'ny Collège St. Jean Bosco Mangasohavina dia nisy sarimihetsika matetika tao amin'ny Salle d'Oeuvres. Natao ho an'ny mpianatra ny ankamaroany ka tsy misy fandoavam-bola. Tamin'izany dia mbola nisy an'ilay mitehaka sy mihoraka rehefa mandresy ilay "Rôla" (ilay acteur principal io)... ary mitomany rehefa somary mijaly iny izy. Anisan'ny nojerenay tao ohatra ilay Jesus de Nazareth izay nampigogogogo ny ankamaroan'ny olona, indrindra rehefa ilay miditra amin'ny tanan'i Jesoa iny ny fantsika nandritra ny fanamelohana azy. Fa teo koa ry Kavin'ila, ry Shaolin. Nisy film western iray izay izay tena naverinay nolalaovina tany an-tanàna mihitsy. Hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany... (niaraka tamin'ny détails madinidinika).

Tadidiko koa nony lehibebe (10 taona angamba aho tamin'izany) dia mangataka mijery cinema foana. Tao amin'ny Cercle Mess Betongolo no fijerena Cinema... dia ariary efatra no fidirana. Dia indraindray eny ampilalaovana eny no tapakevitra ny samy boay kely fa hijery cinema dia miantsoantso an0i mama hoe mba te hijery koa dia anipazan'i mama ariary anakiefatra avy eny andavarangana. Taty aoriana mba nandeha nijery niaraka taminay koa i Mama dia nahita ny ambiance tao :-) Film mitantara ady ilay izy, ireny be olona mihosondrà ireny. Tsy niaraka taminay intsony izy taorian'io.

Fa nisy koa ny fotoana izay niarahana tamin'ny fianakaviana matetika tany amin'ny ville. Rehefa miaraka amin'ny fianakaviana ihany vao mandeha any :-). Ny tena tadidiko, fa mbola notrotroina aho na efa lehibe aza, dia tao amin'ny Roxy. Tsy haiko ny lohateny fa resaka ady tamin'ny Libye sy Italie. Nahagaga tokoa fa tantaran'ady foana no nisy tamin'ny cinema tamin'izany... angamba noho ny Sosialisma tao Madagasikara... sy noho i papanay miaramila.

Anisan'ny nandalo ny fotoanan'ny video tao Madagasikara ihany koa aho. Manaitra ery ilay tabilao eo amorondalana misy hoe Gidragidra 100%, Kung Fu, Action... taty aoriana dia mba nasiandry zalahy soratra hoe Espionage... dia roboka miditra. Ary rehefa mivoaka avy eo (araka ny efa notantarain'i Francis Turbo) dia ohatran'ny hoe matanjaka be daholo :-) Ny fihetsiky ny ankizy eny andalana no ahitanao avy hatrany hoe inona ny karazana film tao amin'io salle iray io. Ny toerana malaza tamin'ny Video tamin'izany dia Antaninarenina, Behoririka, Ambondrona, Antaninandro.

Pour la peau d'un Flic. Alain DelonRehefa lehibebe dia mba nijery Cinema tany amin'ny Salle amin'izay. Niaraka tamindry zalahy tao am-pianarana. Fa ny tena tadidiko dia izaho tsy tafiditra tao amin'ny film iray tao amin'ny Roxy fa tsy ampy taona. Kanefa efa mba Terminale tamin'izany. Pour la peau d'un flic no saika hojerena, dia bandy efadahy izahay no niaraka. Efa notakotakonana ihany aho fa tratran'ilay bandy hozatra be izay dia nosintomin'i leiry avy teo amin'ny mpilahatra teo. Tsy nisy azo natao afatsy ny nijaikojaiko nody. Nividianako Sablé ny vola saika hijerena sinema :-)

Fa hatramin'izao dia mbola tia mijery film aho. Tany Nairobi dia io no anisan'ny nanampy ahy hahay teny Anglisy. Misy tantara jereko hatramin'ny intelo na inefatra. Ilay City of Angels ohatra dia nojereko hatramin'ny in-6 (satria mbola nojereko indroa teto Italia). Ilay Only You izay hitako indroa tany Dago tamin'ny Video (teny Frantsay) dia nojereko indroa tany Nairobi (teny Anglisy) dia mbola nojereko indroa koa teto Italia (teny Italiana). Dia toa izany foana.

Fitiavana manokana ny ahy ny mijery sinema. Mahavatra mandeha irery mihitsy aho matetika. Tsy mitovy mantsy ny feeling, tsy mitovy ny fitiavana. Ny film mahafinaritra ahy dia ilay film tsy mety azoko ireny ka tsy maintsy iverenana jerena tsara vao azo hoe inona no tena nitranga. Ocean's Eleven ohatra sahala amin'izay... fa betsaka. 

Koa amin'ity volana marsa ity dia hanararaotra kely mihitsy satria misy iray volan'ny sinema eto Roma... Cin.. cin.. Cinema e. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry