« | »

Nampahantrain'ny facebook ny internet

2012-03-19 @ 08:32 in Izaho sy ny ahy

Nampahandrain'ny FB ny internet

Taona maromaro lasa izay, rehefa nanazava tamin'olona vitsivitsy ny atao hoe internet aho, fony mbola vitsy dia vitsy ny Malagasy nampiasa azy, dia nohariko tamin'ny tranomboky (bibliothèque) lehibe izy. Rehefa miditra ao anaty Internet ianao dia miditra ao anaty tranomboky iray lehibe. Rehefa miditra amin'io tranomboky io ianao dia sady mpanjifa no mpanome. Izany hoe sady afaka mitady sy mamaky ny boky ao ianao no afaka mampiditra boky vaovao ihany koa. Izay indrindra no tena haren'ny internet. Mitombo hatrany ny loharano satria izay miditra dia tsy vitan'ny hoe mitady sy mamaky fotsiny fa mampiditra izay fantany ihany koa. Mazava ho azy, vokatr'izay dia maro karazana ny boky ao, misy ny mahaliana sy tsy mahaliana, ny marim-pototra sy tsy marim-pototra. Tsy maninona izany fa anjaran'ny mpamaky indray avy eo no manivana izay mety aminy. 

Izaho dia anisan'ny mpanjifa mahafatra-po amin'ny internet. Rehefa misy zavatra mahaliana ahy dia tadiaviko avy hatrany ao amin'ny Google aloha satria inoako fa efa nisy resaka momba izany taloha, na efa nisy nampiditra tao amin'ilay tranomboky ilay izy. Tarigetrako ny hoe "Google est mon ami" rehefa misy zavatra tadiaviko. Resaka fahasalamana, resaka sakafo, resaka honohono tiako hamarinina, hatramin'ny anaran'olona fotsiny aza. Omaly aho izao nitady hoe tsara ve ny mihinana atody manta aty andafy sa misy lafy ratsiny. Tonga dia notadiaviko tao amin'ny google fotsiny hoe "mihinana atody manta" (Jereo eto ny vokany) sy ny hoe "manger oeuf cru" dia nahita valiny maro aho (jereo eto). Dia nanampy ahy io hoe mila mitandrina satria misy an'izany salmonelle izany. Ireo fahalalana hitako ireo dia nisy nampiditra tao amin'ny internet, tamin'ny forum, na tamin'ny alalan'ny blaogy, vao hitako tao. Rehefa tsy misy mampiditra zavatra toa izany intsony dia tsy hahita zavatra hotadiavina intsony aho.

Eto indrindra no idiran'ny hoe mampahantra internet ny facebook. Amin'izao fotoana izao dia vitsy ny mampiasa blaogy, forum, sns. Satria ao amin'ny facebook daholo no ampidirana zavatra mahaliana. Ivereno jerena nefa ilay rohy roa mikasika ny atody manta tetsy ambony fa tsisy valiny azonao avy ao amin'ny facebook mihitsy ny pejy voalohandohany ao. Miha-mahantra noho izany ilay tranomboky goavan'ny internet satria na tsy misy mampiditra zavatra mahaliana intsony ao anatiny, na any amin'ny toerana mihidy sisa no ampidirana zavatra mahaliana. Ka any aoriana any, rehefa mitady zavatra ianao dia tsy hisy vokany vaovao intsony fa izay nisy nampiditra tamin'ny taona 2007 ihany sisa no ho hitanao.

Misy izao, ao amin'ny facebook ao, vondrona iray mikasika ny teny malagasy, izay inoako fa mahaliana olona maro. Azo atao ety ivelany tsara, saingy ao anaty Facebook ilay izy, dia raha liana ianao dia tsy maintsy ao anaty facebook. Raha misy fitadiavana amin'ny google any aoriana any hoe misy "n" ve ny mihitsy sa tsy misy, dia tsy hitranga mihitsy ny lahatsoratra ao anatin'io vondrona io na dia efa noresahina tao aza izany... satria tsy natao ho an'ny rehetra ny fifampizaràna ao.

Ny vahaolana hitako sy ezahiko ampitaina hatrany dia hoe manorata ihany koa ivelan'ny facebook, indrindra raha zavatra heverinao ilain'ny olona hafa. Aza soratana eo amin'ny rindrinao fotsiny ny zavatra mety hahaliana ny hafa, satria voalohany indrindra mety ny namanao ihany no hahita an'iny, nefa ny namanao aza efa feranao ho olona vitsivitsy, ary faharoa dia tsy ho azo tadiavina akory ilay izy aty aoriana. Sady ny zavatra soratana ety ivelany rahateo (blaogy, forum sns) dia azonao aparitaka ao amin'ny facebook, fa ny zavatra ao amin'ny facebook tsy dia ho haparitakao ety ivelany.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry