« | »

Ny hadisoan'i Dan

2012-03-05 @ 09:24 in Izaho sy ny ahy

(eritreritra mandalo) Misy tantara anakiray mahafinaritra izay ao amin'ny baiboly ao. Ny baiboly moa, ho an'izay mbola tsy mahay na mbola tsy nahita, dia boky lehibe iray misy lahatsoratra maro, izay eken'ny Kristianina (Mpanaraka an'i Kristy avy any Nazareta), ho Tenin'Andriamanitra. Misy tantara sy oha-pitenenana, hatramin'ny tononkira ao amin'izany baiboly izany. Koa misy tantara iray izay hitako mahafinaritra raha mahaliana anareo.

Ilay tantara dia ao amin'ny Lioka 15:11-32 (Jereo eto). Mitantara ny aventures-n'ilay zaza Mpan Dan (toa sinoa izy io). Antsointsika fotsiny hoe Dan izy eto. Ny fizaràna voalohan'ny tantaran'i Dan dia izy nihanoka teo anivon'ny harena ka nieritreritra ny hi-bizna. Maninona tokoa moa raha manao investissement kely, hampitombo vola, fa hihanona fotsiny amin'ny harenan'i dada eto? Dia nalainy ny anjarany hanaovany bizna.

Nividy kisoa betsaka izy. Amin'ny karazany avy, afatsy kisoa gasy satria mbola tsy nisy gasy tamin'izany. Nampitomboina taranaka fa hoe mety bizna handeha. Na ilay nivarotra kisoa taminy aza gaga hoe atao inona daholo kisoa 2000. Ny tanjon'i Dan dia hoe kisoa 2000 isan-taona haondrana any ampitan'ny ranomasina.

Ny fizaràna faharoa dia diso bizna i Dan. Tsy azo nahodina vola be ny kisoa. Biby maloto ny kisoa dia tsisy mividy afatsy hoe hampidirana demony rehefa sendra misy azon'ny demony ao amin'ny fianakaviana. Marina fa hoe kisoa 2000 no ilaina saingy tsy isanandro no misy mpanao fahagagàna mandalo eo amin'ny tanàna. Zara raha nandeha ny bizna nefa izy koa nila nanao fiainana. Toy ny mpanao dabokandro rehetra (fa kisoa) dia any amin'ny bar isak'alina. Lalao, toaka, vehivavy. Tsy idirako lalina ilay hoe lany tamin'ny vehivavy janga na dia mahaliana aza. Hoe nisy vehivavy janga lasa mpanan-karena tampoka ve sa vehivavy janga maromaro no nandanian'i leiry ny fananany? Ary ny vehivavy indraindray tsy mihantra mihitsy an. Hitanao hoe ho gorona ilay olona dia notrohany hatramin'ny fara-fananany. Raha vehivavy hendry izao dia hoe "Ity sisa ve ny volanao? Ndana mody sao tsy misy atao frais". Ka dia nihena am-pitoerana ny volan'i Dan ary nony farany lany hatramin'ny masonkarena. Banky tanteraka i Dan. Saingy tsy kivy izy, tsy nimenomenona tahaka ny sinoa very entana (na dia Sinoa aza). Fa mbola nitady fika hafa. Aleo mitady kandra.

Teo ny fizarana fahatelo. Soa ihany fa nanana contacts maro tamin'ny afera kisoa dia ireny no nitadiavany asa. Nivarotra kisoa aloha no nataony voalohany, fa efa hoe tsy mandeha ny varotra kisoa, moa ilay vehivavy janga koa mbola mitaky ny anjarany foana... dia nanjary mpiandry kisoa no niafarany. Ny tohin'ny tantara dia hoe tratran'ny mosary be ilay tanàna ka tsy nisy hohanina. Na ny sakafon-kisoa aza tsy azo nohanina... dia teo i Dan vao tonga saina hoe naninona aho no niala tao amin'i dada? Dia lasa niverina ka noraisin'ny rainy tsara sns. Dia fizaràna fahaefatra ny tohiny.

Nantsoina hoe zaza mpandany i Dan satria diso. Fa taiza ny tena hadisoany? Ilay famaranana ny tantara mantsy dia hoe very ka hita indray. Hadisoana ve ny mandeha mijery izay mety mahasoa any ivelan'ny trano? Rehefa tonga rahateo ny fotoana maha-lehibe, toa tsy maintsy mivoaka ny tranon'ny ray aman-dreny. Inoako fa raha ohatra ka nahita bizna tsara i Dan ka afaka namelon-tena sy nikarakara ny mpiara-belona aminy, ary mety nahavita nanefa adidy tamin'ilay ray nilaozany (valim-babena sns) dia ho hafa ny fiafaran'ny tantara. Mety faly ery rainy ary niantso ny fianakaviana rehetra hoe ndao isika hifety fa hay tsy very ilay zanako fa nandeha nila ravin'ahitra fotsiny.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry