Tsy afa-mamaly ny taratasy aho e... mbola sahirana

2007-10-26 @ 06:41 in Izaho sy ny ahy

Taratasy ankapobeny ho an'ireo marobe manoratra ho ahy mandritra ity fotoam-pialantsasatra ity :-)
Any ... (fenoy ny teboka)

Voaraiko ny taratasinao milaza vaovao, manontany maresaka, mila fanampiana, mi-spam, mangataka zavatra tokony hatao, milaza hoe misy olana ny site, sns...

Te hamaly mafy mihitsy aho. Mifoha maraina be (mifoha maraina daholo ny olona aty) dia mamonjy taxi-brousse, eny tsy eto Antananarivo aho no mipetraka, dia rehefa tonga eto dia mitady cyber, tsy tonga dia mahazo ordi fa somary miandry etsy amin'ny seza etsy aloha, dia rehefa tour-ko dia izay vao mamaky hafatra. Elaela daholo aloha vao misokatra ny hafatra fa efa manomboka zatra aho. Dia rehefa sokafana ny email-ko mazava ho azy dia anjatony maro satria eo amin'ny 300 eo ho eo isanandro no voaraiko... jereko ihany ny adiresy sao mba ao ny adiresinao dia sokafako. Mba ho fitsitsiana ny fotoana dia sokafako koa ny hafatry ny sasany. Faly aho mamaky vaovao ka. Fa rehefa izaho hamaly iny indrindra no tapitra indray ny fotoana. Dia tsy maintsy hidiana haingana... dia eny ambony taxi-brousse mody aho no mamisavisa hoe hovaliako ireny rehefa tonga any ivelany any indray aho.

oups... tapitra ilay fotoana.

Mampamangy any. 

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry