« | »

Iny Paka iny

2008-03-23 @ 19:30 in Izaho sy ny ahy

Nangingina kely ity Paka ity tamin'ity taona ity. Ratsy be ny andro fa avy be loatra ny orana efa ho 3 taona izao. Lasa aloha be mihitsy mantsy ny Paka tamin'ity ka mbola misy sombintsombin'ny ririnina. Tsy nisy fiara koa tamin'iny herinandro masina iny ka tena sahirana be mihitsy. Androany aza mbola oram-be mihitsy fa soa ihany mba efa nisy fiara.
Androany mihitsy aho vao nahatsapa hoe toa izany no fiainan'ny Gasy aty andafy sendra tsy mamonjy fiangonana miteny Gasy amin'ny andro Paka. Androany aho angamba vao tadidiko hoe tsy nihira mafy tany am-piangonana hoe "Nandresy ny Tompontsika". Fa na izany na tsy izany dia nitsangana foana ny Tompo.

Feno ny Fiangonana androany. Somary tara kely izahay ka nitsangana tany aoriana fa tsy nahita toerana. Nandritra ny toriteny izahay vao nahazo toerana tany aloha. Nahafinaritra ny toriteny, angamba noho ilay hoe betsaka ny mpiangona dia nientanentana mihitsy i mompera. Nasainy nandray anjara ny olona, nanontaniany ary namaly na dia somary sadaikatra aza... satria toa tsy mbola fanao izany hatr'izay mba hitanay tao. Ilay trano fiangonanay dia tsy mba toa ny fiangonana katolika rehetra eto Roma izay sady ngeza no feno haingony. Fiangonana tsotsotra ilay izy, vao vetivety koa no niorenany. Mompera roa no tena miandraikitra ao ary isaky ny alahady dia misy lamesa telo. Tsy omby mihitsy tsinona ny fiangonana raha indray miditra fotsiny. Ireny seza plastika mitambatambatra ireny no seza ao fa tsy mba dabilio. Seza iray ho an'ny olona iray... kanefa rehefa mipetraka dia tena mifanakaiky kely... ary indraindray mifampikasoka ny olona.

Mbola andro tsy fiasana rahampitso... ny andro no tsy hay na mba ho tsara kokoa. 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry