Hafatra misy kintana

2013-04-22 @ 18:18 in Izaho sy ny ahy, Fampianarana

Fampidirana hafa. Andro iraisam-pirenena ho an'ny tany androany. Raha ny tokony ho izy izany, tahaka ny an'ny vehivavy (andro iraisam-pirenena no lazaiko) dia tokony tsy hiasa koa ny tany, na farafaharatsiny haka aina tapak'andro. Rehefa dinihina tokoa dia tena miha antitra ny tany, ny endriny aza niova raha taloha izy fisaka (afatsy ny rediredin'i Galilea), izao izy efa lasa boribory (tanteraka ihany ny rediredin'i Galilea). Manontany tena aho hoe inona tokony hanamarihako ity andron'ny tany ity. Ny an'ny sasany manadio tany, tsinjaraina ny fako mba tsy ho verivery etsy sy eroa. Ny an'ny hafa mitsitsy tany, tsy mampiasa fiara sy fiaramanidina firy androany (fa rahampitso vao manao double). Ny hafa koa manao sesi-tany (tsy fidiny ho any ny any Afrika Atsimo). Izaho mbola variana manontany... manon-tany. Tratry ny fety tany - sa hoe joyeux anniver-terre?

Fa tsy izay mihitsy ny resaka androany fa momba ny hafatra... na resaka imailaka no marimarina kokoa. Ny imailaka aloha (hoy ny rakibolana.org) dia hafatra elektronika ifanakalozana amin'ny alalan'ny ordinatera. Misy fitaovana maro azo hamakiana imailaka fa ny ahy dia Gmail no ampiasaiko... ary amporisihako ianareo hampiasa an'io koa fa milay :-). Marina fa @serasera.org sy @malagasy.it ny adiresy ampiasaiko matetika fa mbola Gmail ihany no aorianany. Androany ary dia sendra tafaresaka tamin'ny namako iray aho nilazany fa hoe nisy hafatra tokony novaliany dia tsy vita ny namaly azy teo no ho eo dia avy eo nanjary adino tsy voavaly intsony raha tsy taty aoriana be. Ny antony dia nifangaro tamin'ny hafatra hafa izay efa voavaky ilay izy. Taloha dia tena nanjò ahy matetika io noho ny hafatra anjatony maro voaray isanandro. Indraindray dia misy hafatra tena mahaliana ahy dia vakiako, fa rehefa avy eo tsy mbola valiako dia voadingana any. Koa toa izao ny fikafika fampiasako rehefa mamaky email.

Voalohany indrindra aloha dia ny fanadiovana. Rehefa miditra ao amin'ny gmail aho dia safidiko daholo (selectionner-ko) ny hafatra mbola tsy voavaky eo amin'ny pejy voalohany. Dia asesiko vakina eo ihany ny votoatiny raha tokony hovakiana na tsia. Izay tokony hovakiana dia esoriko ao anaty safidy (déselectionner-ko) fa ny tsy tokony hovakiana dia avelako eo satria rehefa avy eo dia tsindriko fotsiny ny bokotra famafàna dia voafafa avokoa izay tsy ilaina vakiana.

Rehefa avy eo indray dia mamaky tsirairay aho. Ka isaky ny avy mamaky aho dia manapa-kevitra na tokony hovaliana na tsia, na koa hoe misy zavatra atao hafa mifanaraka aminy ve sa tsia. Raha ao anatin'io sokajy io izy dia tsindriko fotsiny ny kintana izay mametraka azy ho ao anatin'ny sokajy "Manan-danja" (speciale). Ny kintana ao amin'ny gmail dia misy loko samihafa (ny ampiasaiko dia mena, mavo, maitso). Rehefa tsindrina fanindroany na fanintelony ny kintana dia miova loko. Dia io koa no hanamarihako ny lanjany. Ny kintana mena ho ahy dia midika hoe mila valiana. Ny kitana maitso dia hoe asa mety hatao. Ny kitana mavo moa dia hoe mbola mila vakiana fotsiny rehefa any aoriana.

Rehefa vita ny famakiana hafatra ka hiasa amin'izay aho dia tsindriko fotsiny ny rohy hoe "Manan-danja" (speciale) etsy ankavia dia ao daholo ireo rehetra izay nasiako kintana. Iverenako sokafana sy valiako izay tokony ho valiana dia esoriko ny kintana. Toa izany koa no atao amin'ny hafa.

Dia hatramin'izao aloha aho tsy manana olana... raha tsy hoe adino koa ny nametraka kintana :-)

Fa misy fitaovana hafa ihany koa izay azonao ampiasaina... fa tsy ampiasaiko... toy ny SaneBox

 

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry