Zoma Masina Subiaco
Rehefa mipetraka aty lavidavitry ny tanandehibe aty vao mahita hoe mbola mivavaka ihany ny Italiana. Ny fiangonana aty isaky ny alahady misy lamesa impiry, ary amin'izany feno hatrany. Fa ny tena nanaitra ahy dia ny Zoma Masina omaly. Ohatry ny hoe Katolika daholo ny olona manerana ny tanàna. Vao andro vitsivitsy mialoha aloha dia efa ny fetin'ny Paka foana no resaka. Ary tsy mba toy ny firesaky ny tsy mpino fa resaka mikasika ny fomba hankalazana amim-pinoana ny Paka. Na any amin'ny bar aza (toerana fisotroana kafé ny bar aty fa tsy dia fisotroan-toaka loatra) dia mbola ny pitsopitsony amin'ny fanorohana ny Lakroa Masina, ny processions, ny veillée de prières no heno.
Ny processions, lalan'ny Hazofijaliana, nandritra ny zoma masina indrindra ary no tena nahitana fa Subiaco iray vohitra no nivavaka. Nangina ny trano rehetra izay nandalovana fa efa any amin'ny processions daholo ny olona. Angamba ireo tsy afaka nandeha vitsivitsy ihany sisa no niambin-trano. Ny processions indray dia naharitra efa ho adin'ny iray no nandalo teo amin'ny toerana iray, izany hoe farafahakeliny 1 km ny halavany, manemitra ny ara-be koa, ho an'ireo izay tsy afaka manaraka ny filaharana dia feno olona, mihira sy mivavaka. Ny làlana eto Subiaco moa dia efa misy Lakroa 14 tsy miala mihitsy na dia isaky ny Zoma masina ihany aza no tena ilàna azy. Ka isak'ireny fijanonana ireny dia efa misy vondron'olona maromaro miandry manamafy ny hira sy ny vavaka.
Tany Madagasikara aho no nahita alim-bavaka toa izany farany.