Fetin'i Faraniaina :-)

2006-06-18 @ 22:50 in Izaho sy ny ahy

Tsingerin-taona nahaterahan'ilay Faraniaina ny 18 jiona. Faraniaina, Fara, Fafah, Niaina, Pôta, Paulette, fiantsoana azy daholo... arakaraky ny taona nandalovany, arakaraky ny toerana misy azy sy ny olona ifandraisany. Ie, anisan'ny nampiavaka an'i Fara io sarotiny amin'ny anarany io. Indraindray tsy misy mahazo miantso azy hoe Paulette afatsy izaho, indraindray tsy azo antsoina hoe Fara izy rehefa eo akaikin'ny mpiara-mianatra aminy, indraindra rehefa tsy miantso azy hoe Pôta dia ohatry ny tsy olona ao antrano... taty aoriana aza, efa lehibe, rehefa manoratra aty amiko izy dia misy sonia roa ery ambany dia ilay sonia iray nokosehina... tiana ho fantatro hoe tsy io intsony indray no iantsoana ahy fa ity vaovao ity.

Resaka sendra nandalo iny fa omaly izany no anniversaire-ny. Efa matotra sy efa lehibe izy izao. Tsy hoe nataoko ho fiderana azy ity lahatsoratra ity (izay mety tsy ho hitany akory) fa mba fehim-bonikazo noho izao tsingerin-taonany izao.

Vavitokanay i Fara, dimy lahy be izao izahay no zokiny... hany ka na izy aza nony tonga dia taizan-dahy. Izaho moa no lahimatoa dia izaho no tena nitaiza azy (ho an'izay tsy maro anaka, dia izany no fomban'ny maro anaka... ny zokiny no mitaiza ny zandriny , inona fotsiny tokoa moa no niterahana maro raha tsy izay). Nifandrirotra teo amin'ny fahazazan'i Fara daholo ny hoe "Faravavy", "vavitokana", "taizan-dahy", ka sady mihanta velona ery izy no terenay hanao raharaha satria hany vehivavy ao antrano ankoatra an'i Mama, no gidragidra ihany koa. Inoako fa nisy vokatsoa teo amin'ny fiainany izany fitaizana nifangaro izany.

Tsy vitako tamin'ny afakomaly ity noho ny lafiny fahasalamana ka tohizako androany. Sady vao tonga koa ny sary dia hisy akony eto. 

Mora mahay zavatra koa i Fara, saingy hitako hoe manao zavatra betsaka loatra ao anatin'ny fotoana iray. (Io angamba itovizanay)... ka atahorana tsy ho vita tsara ny zavatra sasany. Amin'izao izao izy raha eo amin'ny fitenenana dia mahay frantsay kely, mahay anglisy kely, mahay italiana kely... fa tsy mety hoe mahay tsara ny iray amin'ireo teny ireo, na dia efa mianatra aza.

Ny lafiny fitiavana indray? Efa lasan'olona izy Vao avy nijery ny sary sy ny film tamin'ny vodiondriny izahay tamin'ny alina. Nahafinaritra sy nampihetsi-po. Inoako fa nihira antsaina an'ilay hoe "Andeha ianao ra-zanako vavy" iny i Papa ary ny rehetra dia nivetso an'ilay hoe "Tsofiko rano ra-Faraniaina"... ie, izay no hira fanaonay matetika satria Faraniaina no anarany

Mahereza sy mahareta hatramin'ny farany ise. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry