Iny herinandro iny

2007-03-18 @ 08:48 in Izaho sy ny ahy

Herinandro fenofeno ihany iny herinandro iny. Sady tena reraka ara-batana mihitsy aho fa nanao baolina. Ie, tamin'ny herintaona aho no efa saika hanao baolina miaraka amin'ny tanora gasy eto Roma. Isantaona mantsy dia mandray anjara (fotsiny) amin'ny Mondialido (izay atao any Lido-Ostia) ny tanora Gasy vitsivitsy eto. Tiako ilay manao baolina fa mieritreritra (sy manao kajy) foana hoe "ça vaut la peine" ve. Izany hoe ny investissements rehetra hanaovana baolina ve mety ho voavalin'ny ambiances sy izay vokatsoa hafa avy eo. Dia hita hoe tsara ilay izy dia hotohizana indray androany... sady nividy fitaovana vitsivitsy mihitsy.

Betsaka koa ny vary mangatsiaka tamin'ny coding-n'ny Radiovazogasy.com Version 4 mbola tsy vita. Ny erreurs kely isankarazany izay namaky loha. Ilay boaty miova ho azy mampiseho ny hira mandeha, ohatra, tsy niova akory rehefa jerena amin'ny Internet Explorer fa tsy nisy nilaza (toy ny mahazatra). Tsy hitako satria aho mampiasa Firefox. Kay mila forcer-na tsy hitahiry cache ilay izy. Izao izy mety tsara. Dia nanararaotra koa aho nampiditra ny hoe Add to my favorites. Ka rehefa misy hira tiana dia ampidirina ao anatin'ny lisitra fotsiny mba hotadidy sy hiverenana amin'ny manaraka.

Vonona tanteraka koa ny Version 3 amin'ny rcj.org fa havoaka rahampitso. Mampiasa joomla iray manontolo ilay izy. Ho hita eo indray ny tombontsoa sy ny lesoka. Voatery nanamboatra components Joomla vitsivitsy aho hifandray amin'ilay solaitra izay efa tao. Aleo atao Joomla fa be loatra ny fangatahana ataondry zareo dia aleo izy ihany no mitady izay components ilainy. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry