Objectif Zoom Hanimex 70-210 mm
Tsy nisy objectif lava ny fakantsary reflex digital ampiasaiko (mbola EOS 350D). Tsara foana ny sary saingy vokatr'izay tsy dia afaka manalehibe zavatra lavitra. Mba hahafahana maka sary lavidavitra dia mila manana objectif mahataka-davitra kokoa, izany hoe lehibe kokoa ny Distance focale. Dia nitady tamin'ny internet fa hitako lafolafo daholo ilay izy raha vao mihoatra ny 200mm. Ny hevitra hita dia hoe hanandrana hampiasa an'ireo objectifs fampiasa amin'ny fakantsary Canon analogiques, izay mora kokoa, kanefa rehefa avy eo dia mila mividy adaptateur (fa tsy adapteur no fiteny) hahafahana mampiasa azy amin'ny EOS. Dia teo no nifanenako tamin'ity Hanimex 70-210mm ity izay novidina 30 Euros tao amin'ny Ebay.
Fitenin'ny olona matetika hoe ny objectifs no tokony handaniana vola satria iny no tena antoky ny sary tsara. Tena marina mihitsy io, saingy azo atao koa ny mahaso sary tsaratsara raha ohatra ka tena hay ny mikirakira ny objectif na dia tsy tena lafo vidy aza. Ity hanimex 70-210mm ity, ohatra, dia hitako fa afaka mamoaka sary tsara saingy mila fanandramana maromaro.
Tsy misy Auto-Focus ny Hanimex 70-210mm, izany hoe tsy afaka miantehitra aminy rehefa maka sary fa tsy maintsy mampiasa tanana. Mety ho mora manjavona izany ny sary raha tsy mahay. Misy safidy vitsivitsy kosa nefa eo amin'ny fisokafany ka ny mazava indrindra dia f/4.0 ary ny maizina indrindra dia f/22.
Toa izao ny vokatry ny fanandramana vitsivitsy. Azo tsindrina ny sary raha hijery ny dika lehibe kokoa.
Ireto aloha izany ny vokatra rehefa mampiasa an'ilay Objectif Canon 18-55mm AF. Natao automatique daholo.
Io 55mm io izany no farany lehibe azo avy aminy.
Nony nampiasaina amin'izay ilay Hanimex dia toa izao ny vokatra azo tamin'ny safidy maromaro samihafa.
Nony naka 210mm dia hitako fa tsara kokoa raha atao maximum ny ouverture, izany hoe f/4 dia ny vitesse no natao haingana kokoa. Ny nampanjavona ny sary dia vokatry ny tsy nahazoana tsara ny focus na koa vokatry ny fangovitana tamin'ny nanapiaka azy.
Toa izao kosa izy raha 210mm ihany fa ny ouverture atao faran'izay kely f/22 ka ny vitesse no natao miadana kokoa.
Famintinana.
Toa izao izany ny famintinana antsary ny fiantraikan'ny ouverture sy vitesse raha mampiasa an'ilay 18mm.