« | »

Iny weekend iny... #Shoan

2010-02-23 @ 01:47 in Izaho sy ny ahy

Tsy haritro ny tsy hitantara ny zava-nisy tamin'iny weekend iny. Tany Paris sy Rouen dia hitako hoe nifangaro ny vahona sy ny tantely, ny fahanginana sy ny kotaba, ny tomany sy ny tsiky, ny fahakiviana sy ny fanantenana... fa nandresy hatrany iretsy faharoa.

Tamin'iny faran'ny herinandro iny tokoa mantsy no nanaovana ilay soirée Shoan dia mba anisan'ny tany aho. I Shoan dia mpanoratra lahatsoratra sy mpaka sary matetika tamin'ny vohikala vitsivitsy. Anisan'ny namana serasera koa izy hatramin'izao ary izy no hitako nanaparitaka na dia ivelan'ny serasera aza ilay hoe biz'oroka. Miady amin'ny aretina izy amin'izao fotoana izao ka natao io Takariva Shoan io mba hankaherezana azy am-pitiavana sy hanohanana azy sy ny fianakaviany. Fiaraha-misakafo no natao tamin'izany noravahan'ny hira sy korana tsotsotra. Afa-po ny rehetra, ny adidy vita ary ny fahafinaretana azo. Nisy ihany ny ranomaso latsaka nandritra ny hira sasany izay niaraha-nihira, anisan'izany ilay "Je n'aurai pas le temps" (Jereo etsy ambany) fa tsiky no nandravaka ny alina. Dia avy eo izahay mirahalahy nandeha taxi nanaraka an'i ra-west fa tsy omby ny vam loll

Ny ampitso, nony vita ny fivoriana nataon'ny mpandrindra ny serasera.org dia niara-niainga izahay vitsivitsy (9 mianadahy) ho any Rouen hitondra ny tatitra amin'i Shoan. Namirifiry ny andro sady efa harivariva ihany koa izahay vao tonga tany. Hafaliana no hita soritra teny amin'ny endriny sy avoaky ny vavany isaky ny lazaina azy hoe iza avy no tao amin'ilay Soirée. Fisaorana hatrany no averimberiny. Tsy maintsy hisaraka fa ny andro niha maizina, izahay rahateo mbola tsy maintsy hiverina ny androtr'io ihany ho any Paris afatsy i Rondro. Mafy ny fisarahana saingy tsy maintsy manana fanantenana sy finoana fa Kristianina ny tena. Manome hery rahateo ny faharetana sy herim-po ananan'izy tenany mitondra ny aretina sy ny fianakaviany. Fampianarana lehibe eo amin'ny fiainana ny tsikitsiky entiny... misaotra hatrany. Misaotra koa tamin'ilay divay tsy adino mihitsy ny nanafatrafatra azy na efa nodiako fanina ihany aza Tsy azo natao tao anaty bagage à main ilay izy dia nividy sac manokana mihitsy aho nitondrana azy :-)

Fisaorana no atolotra ho an'ny nampiantrano sy ny mpamily mandroso sy niverina tany Rouen. Isaorana ireo nitondra an'iny hevitra iny... ary isaorana ireo rehetra tonga nanotrona.

 

 

Je n'aurai pas le temps
Pas le temps

Même en courant
Plus vite que le vent
Plus vite que le temps
Même en volant
Je n'aurai pas le temps
Pas le temps

De visiter
Toute l'immensité
D'un si grand univers
Même en cent ans
Je n'aurai pas le temps
De tout faire

J'ouvre tout grand mon cœur
J'aime de tous mes yeux
C'est trop peu
Pour tant de cœurs
Et tant de fleurs
Des milliers de jours
C'est bien trop court
C'est bien trop court

Et pour aimer
Comme l'on doit aimer
Quand on aime vraiment
Même en cent ans
Je n'aurai pas le temps
Pas le temps

Je n'aurai pas le temps
Pas le temps...

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry