Il était une fois une princesse... et son chat

2013-04-13 @ 05:12 in Izaho sy ny ahy, Kolotsaina, Fanabeazana

Ny zanakavavin'ny mpanjaka sy ny sakany

FK [*]: Aza omena tsiny aho raha tsy tia saka na alika ao antrano fa fitiavako azy ireo mihitsy no tsy hiompiako azy. Amiko ireny biby ireny dia tokony hapetraka amin'ny toerana maha biby azy. Raha toa mantsy ka raisina toy ny olona izy dia manjary misy trouble d'identité ao aminy (loll) ary mety hiteraka complexe psychologique goavana ho azy hoe maninona aho no misy rambo nefa mitovy ihany izahay sy i lita. Adidy goavana ho ahy, raha mitaiza biby aho, io mametraka ny biby amin'ny toerany io ka aleo milamina. Tsy maintsy hampatsiahivina foana mantsy ny biby hoe "biby ity!" hahatsapàny fa tsy olona izy :-)

Fa ny tena resaka dia ity. Manomboka mitady angano isan-kariva ny boay kely rehefa hatory. Hitako fomba mahafinaritra kokoa handresen-dahatra azy hatory izay noho ilay omena kilalao. Ilay omena kilalao eo am-pandriana mantsy izy vao maika variana amin'iny. Ka amin'izao raha tsy izy no mitady dia ampatsiahivina mihitsy hoe mila angano ve. Rehefa hatory izy dia tonga dia hoe "C'era una volta dada aaa" (C'era una volta = indray andro hono), dia efa miala any i dada amin'ny angano. Io ihany koa no mba hany fotoana hiresahana aminy manontolo amin'ny teny italiana.

Indray mandeha tamin'ny voalohany dia nitady angano tamin'ny internet aho nefa maimaika loatra angamba ka tsy nahafapo. Nisy android app izay koa "Ti racconto una fiaba" napetrako tamin'ny finday dia noheveriko hoe hanamora ilay asa. Saingy tsy nety. Ny antony dia izy aloha no misafidy ny lohahevitra. Tonga izy dia miteny ohatra hoe "C'era una volta un elefante" (Indray andro hono nisy elefanta) izay mety hisy ao anatin'ilay finday ihany, na foroniny mihitsy hoe "C'era una volta barbapapa" izay tsy hisy ao anatin'ny finday. Ny olana koa dia rehefa tsy tiatiany ny zavatra tantaraina dia ampidirany zavatra mandritra anao mitantara. Ohatra hoe rehefa mitantara an'ilay elefanta ianao dia eny antsefatsefany eny tonga dia sisihany hoe "dia ucello (vorona) koa", ao anatin'ilay angano nefa tsisy resaka vorona mihitsy.

Koa nanapakevitra ary aho fa hamorona angano eo no ho eo. Izany hoe tonga tsy miaraka amin'ny boky fa mitantara avy hatrany araka izay fiaingany eo. Amin'izay izy afa-po ary izaho tsy sahirana loatra. Inoako ihany koa fa tahaka izany no nataon'ireny bebe ireny taloha teo amorom-patana rehefa diavolana. Ny aingam-panahy fotsiny no atao be dia be. Koa ity eto ambany eto ity misy angano iray izay voaforonay (satria izy manampy elements eny anelanelany eny) tamin'ny teny italiana fa adikako amin'ny teny gasy... "C'era una volta una principessa" (Indray andro hono nisy zanaka vavin'ny mpanjaka) no tena lohateniny fa avy eo notovonany hoe "dia saka koa" dia lasa hoe "Indray andro hono nisy zanaka vavin'ny mpanjaka... sy ny sakany". Azo aparitaka sy tantaraina amin'ny fara aman-dimby :-p 

 

 

Indray andro hono nisy zanakavavin'ny mpanjaka... sy ny sakany

Indray andro hono nisy zanakavavin'ny mpanjaka. Vavy tokana. Nijoro teo andavarangan'ny lapa nitrotro sy nisafosafo ny sakany toa nalahelohelo. Nijery ny tanàna tery ambany nisy ireo ankizy nikoràna izaitsizy. Nahita izany rainy, ny mpanjaka, dia nanatona azy sy niteny azy nanao hoe:

- Maninona eto ianao, anaka? Toa mangingina?

- Te hilalao miaraka amin'ireo ankizy mikoràna ireo aho, dada. Hoy ny navaliny.

Vaka sady nalahelo kely ny mpanjaka nijery azy nefa tsy afaka niteny mivantana taminy hoe mandehana satria raha ny tokony ho izy dia tsy afaka miara-milalao amin'ny ankizy tsotra ny zanaky ny mpanjaka ka niteny taminy hoe.

- Ao irahiko ianao. Mandehana mitady sakafon'iny sakanao iny dia omeo sakafo izy fa efa noana.

- Fa inona no sakafon'izy ity ry dada? Hoy ny fanontanian'ity Zanakavavy. Tsy mbola hitako mihitsy ianareo nanome sakafo azy hatrizay.

Fa namaly ny mpanjaka hoe :

- Zanaky ny mpanjaka ianao ka tokony hahalala izany. Mandehana itadiavo sakafo ny saka.

Dia napetrany ny saka teny an-tanany, niomana izy ary nivoaka ny lapa hitady sakafo ho an'ny saka. Tsy fantany akory anefa hoe inona no sakafo fanome ny saka fa dia nandeha fotsiny izy. "Tsy maintsy ho hitako eny an-dalana ihany izany" hoy izy tany an-tsainy.

Nony hiditra ny tanàna izy dia nahita ankizy maromaro nihorakoraka nilalao. Tsy sahy nanatona nanontany izy satria fantany ihany hoe tsy tokony hanatona ankizy hafa ny zanaky ny mpanjaka. Koa dia nijanona tery lavidavitra tery fotsiny izy nijery sy nihaino ny lazain'ny ankizy. Nahafinaritra azy ny kilalao nataon'ny ankizy fa mbola tsy fahitany. Mifanenjika izy ireo ka ny iray manenjika ary ny sisa rehetra mitsoaka. Ny hany henony dia ireo enjehina miantsoantso hoe "Enjeho izahay ra-Saka, Enjeho izahay ra-Saka". Variana teo elaela izy vao nahatsiaro hoe hay moa hitady sakafo ho an'ny sakany no nanirahana azy. Dia nanohy ny diany indray izy.

Tsy lavitra teo dia indro nisy zazalahy kely anakiray mitakoko mijery any ivelan'ny tanàna. Gaga ny zakakavavin'ny mpanjaka nahita azy tsy mba miara-milalao amin'iretsy ankizy namany. Saika tsy hiresaka ihany izy kanefa nampalahelo azy ity zazalahy ity ka nanontaniany:

- Fa maninona izato ianao? Nahoana no tsy miaraka milalao amin'ny ankizy?

Taitra ilay zazalahy no sady gaga nahita ity zazavavy tsara tarehy miakanjo tsara nefa miresaka aminy.

- Fa iza ianao? Toa tsara be ny akanjonao? Mbola tsy hitako teto an-tanàna mihitsy ianao.

- Tsy mipetraka eto amin'ny tanàna aho fa ery amin'iry trano antampon-kavoana iry. Nirahin'i dada vetivety fotsiny aho dia mandalo eto. Fa maninona ho'aho ianao no tsy miaraka milalao amin'ny ankizy? Inona no jerenao any ivelany any?

Nisalasala kely ilay zazalahy satria tsara tarehy loatra ity zazavavy miresaka aminy. Namaly ihany nefa izy nony avy eo:

- Lasa nirifatra any ivelan'ny tanàna any tampoka teo ny sakako. Tsy fantatro hoe naninona fa nihazakazaka tampoka be izy. Izaho anefa tsy sahy mandeha irery any ary ny ankizy milalao daholo tsy misy afaka miaraka amiko.

Sady faly no sahirana ny zanakavavin'ny mpanjaka nony nandre izany. Faly izy satria ankizy manana saka ity zazalahy miresaka aminy ka mahalala tsara ny sakafon-tsaka izay nanirahan-drainy azy. Sahirana koa anefa izy satria tsy sahy miteny amin'ilay zazalahy hoe tsy mahafantatra ny sakafon-tsaka. Ny hevitra hitany dia ny hiaraka amin'ilay zazalahy hitady ny sakany dia hanontany azy ihany rehefa kelikely.

- Andao ary fa hiaraka aminao hitady ny sakanao aho. Sao dia mba any koa no hahitako ny zavatra anirahan'i dada ahy.

Faly ery razazalahy ary indray izy dahy kely mailamailaka nivoaka ny tanàna hanenjika ny sakany.

Nony nandeha kelikely izy ireo dia indro tokoa saka mivolon-davenona mahafinaritra mihazakazaka miankavia sy miankavanana toa manenjika zavatra.

- Iny ny sakako. Hoy ity zazalahy. Toa manenjika zavatra izy izany... haaa! manenjika voalavo kay.

Gaga be ny zanakavavin'ny mpanjaka naheno izany, nihazakazaka nanatona izy dahy, ka hitany tokoa fa nanenjika voalavo ilay saka.

- Fa maninona no manenjika voalavo ity sakanao? Hoy izy tamin-drazazalahy.

- Ka ireny no ataony sakafo. Rehefa azony iny dia hohaniny.

Sady taitra no ankona ny zanaky ny mpanjaka nony naheno izany. "Ny voalavo ve no sakafon'ny saka?" hoy izy anakam-po. "Dia hitady voalavo aho izany ho an'ny sakako??". Sady vahotra izy no nalahelo. Nony azon'ity zazalahy ny sakany dia nifanao veloma izy ireo ary samy nody. Fantatry ny zanaky ny mpanjaka hoe voalavo no sakafon'ny saka saingy tsy nisambotra voalavo izy fa nihazakazaka nody niakatra teny an-dapa.

- Fa inona ity mahasempotra anao, ary aiza izay sakafon'ny saka nasaiko nalainao. Hoy rainy nahita azy nihazakazaka niditra ny lapa.

- Nahita sakafon-tsaka aho saingy tsy nalaiko. Hay loza fa voalavo no sakafo fihinan'ny saka. Nisy sakan'izay zazalahy izay hitako nanenjika voalavo hataony sakafo. Mampalahelo ilay voalavo ry dada fa aza omena voalavo intsony ny sakantsika.

Sady nigogogogo izy. Tsy hitan-drainy izay nolazaina satria mba hivoaka fotsiny no tena nanirahany ity zanany hitady sakafon-tsaka.

- Aza mitomany anaka, hoy ny mpanjaka tamin-janany vavy. Tsy mihinana voalavo izany ny sakanao. Mandehana jereo ao an-davarangana ao fa efa nomen-dreninao ny sakafo mahazatra azy izy.

Dia lasa tokoa ny zanaky ny mpanjaka nijery tao an-davarangana ka hitany ny sakany mitolona trondro karpa ngeza be falifaly ery. Teo vao fantany hoe hay tsy voalavo ihany no sakafon'ny saka fa trondro ihany koa. Ary ny trondro aza no tena tian'ny saka ka nahatonga ilay fitenenana hoe "Aza matoky saka raha trondro ny laoka". Dia nanomboka tamin'izay hono dia tsy nalahelohelo intsony ny zanaky ny mpanjaka. 

 

Dia izay no angano iray notantaraiko tampoka. Tsy dia misy lesona firy satria tsy tena nomanina... nefa nahafaly ny boay kely. 

 


[*] Fampidirana Kely toy ny mahazatra

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry