« | »

Video: Atolotro anao

2010-10-19 @ 07:11 in Izaho sy ny ahy, ItaliAfrika, Mozika

Sady mi-blaogy ihany aho no mametraka ny video weekend. Androany vao nivoaka ny video weekend tamin'ity indray mitoraka ity fa tsy tratra :-) Angaha rahateo moa nisy mahatsikaritra hoe tara :-p. Alohan'ny hilazana ny momba ny hira androany ary dia lasa tantara be teto Italia ilay momba ilay vehivavy nolazaiko tamin'ny lahatsoratra farany. Maty tamin'ny zoma teo mantsy izy na dia noeritreretina hoe toa tsy dia lehibe loatra aza ny fahavoazana tamin'ny voalohany. Araka ny voalazan'ny autopsie dia ilay nianjera no tena nahafaty azy satria voadona tao amin'ny hatony. Mampalahelo satria totohondry sendra tsy tana vokatry ny hatezerana diso tafahoatra tsy voahevitra akory no antony. Nahiditra am-ponja androany ilay boay kely 20 taona nahavanon-doza.

Izay ny momba an'iny fa zavatra vitsivitsy no nianarana tamin'ity hira ity. Teo aloha ny fanatsarana ny haingon-kira. Rehefa mihaino hira hafa tokoa mantsy dia azo atao tsara ny mampiditra zava-maneno vaovao any ampovoan'ny hira... matetika strings (oohh misy strings tokoa ny mozika) toy ny lokanga miaraka na gitara. Dia nandramako dia ohatra ny mety. Zavatra hafa ihany koa ny nanaovana ny percussions tamin'ny tànana manontolo fa tsy natao loop intsony. Misy feeling tsara ny mitendry azy amin'izay. Teo amin'ny sary moa dia hitako tsara sy professionnel mihitsy ilay Cinelerra amin'ny fanamboarana video noho ny Kdenlive. Mora kokoa ny manafangaro sary. Mora kokoa ny manao an'ilay soratra mikorisa (toy ny karaoke) amin'ity Cinelerra ity. Fa ny noeritreretiko indray izao dia ilay karaoke misy loko eo amin'ny teny lazain'ny hira. Mety ho azo atao ihany fa mety sarotsarotra.

Indro ary ny hira. Nalaina tao amin'ny Fihirana Hasina pejy 170. Hira fanolorana.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry