« | »

16km en 2heures tsy mandeha tongotra

2009-06-12 @ 07:33 in Izaho sy ny ahy

Raha mandeha tongotra dia mahavita 10km eo ho eo ny olona ao anatin'ny adin'ny roa. Mandeha normal io fa tsy mihazakazaka. Fa izaho amin'ny maraina ho aty am-piasana, raha vao tara kely fotsiny no miala ao antrano, izany hoe variana eto amin'ny ordinatera ka manjary miala amin'ny 7ora sy sasany, dia adin'ny roa be izao no anaovana ny làlana avy aty antrano mandeha miasa. Nefa dia 16km fotsiny... sady amin'izay mandeha bus sy metro fa tsy mandeha tongotra. Tompondakan'ny amboteiazy iny lalana mandeha eny aminay iny, tsy misy izay tsy mikolay manomboka amin'ny 7 sy sasany  ka hatramin'ny 9 maraina. Ny vahaolana dia miala maraindraina dia tohizana any am-piasana ny asa antselika... raha tsy izany dia tratran'ny mandeha tongotra kely 3 km. Io no efa imbetsaka nataoko. Midina rehefa tonga eo amin'ilay tena mitohana, dia mandeha tongotra kely dia mandray bus hafa indray rehefa tonga eo amin'ilay malaladalaka. Indraindray mahazo ny bus fahatelo any aloha any mihitsy.

Fa maninona koa moa izany no lazaina eto? Ahhh jereo eto ny valiny :-)

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry