Arivonimamo

2008-04-26 @ 07:28 in Izaho sy ny ahy

Tamin'ny 1983 tany ho any aho no nahita an'Arivonimamo voalohany na dia hoe avy any aza izahay. Tsy tena tao Arivonimamo fa mbola mandeha tongotra eo amin'ny 26km avy eo. Fa amin'izao dia azo atao hoe avy ao Arivonimamo izahay satria dia niorim-ponenana ao.

Tsy dia lavitra loatra an'Antananarivo Arivonimamo satria 47km fotsiny. Ny lalam-pirenena voalohany (R.N. 1) no mandeha any. Tamin'ny nandehanako farany tany dia tsara tokoa ny làlana ary tsy dia be lozam-pifamoivoizana toa ny R.N. 7 mandeha any Toliara sy R.N. 2 mandeha any Toamasina. Tsy dia be loatra mantsy ny fiarabe mandalo any na dia misy ihany aza mandeha any Miarinarivo sy Soavinandriana Itasy. Eo amin'ny 45mn eo no anaovan'ny taxi-brousse an'io lalana io raha mandeha ara-dalàna. Raha miala avy ao Antananarivo dia ny 15km voalohany no tena henjana noho ny fitohanana hatreny Anosizato. Rehefa afaka an'Anosizato sy Ampitatafika dia misosa amin'izay. Mandalo an'Alakamisy (Fenoarivo), Ambatomirahavavy, Imerintsiatosika, Mangatany, dia Arivonimamo. Anlanelan'ireo dia mbola misy tanana vitsivitsy, Katsaoka, Beronono, Fonenana...

Misy fiangonana Katolika lehibe izay iandidian'ny mompera Karma ao Arivonimamo. Misy fidirana indroa fa dia hipoka foana. Raha te hahazo toerana dia mila tonga adin'ny iray mialoha ny lamesa. Isaky ny mivavaka ao aho dia mitsangana foana fa tsy mahita toerana.

Ny tsena ao Arivonimamo dia isaky ny Zoma. Fony izahay tsy mbola nipetraka tao Arivonimamo fa mbola tany amin'ilay 26km dia mpanenjika tsena na dia tsy isaky ny zoma loatra aza. Miala vao maizimaizina mihitsy satria eo amin'ny adin'ny dimy eo ny dia an-tongotra, dia vao avy misakafo indray ao an-tsena dia mody... any amin'ny roa tolakandro any. Ny atao any anefa amin'izany dia mivarotra vokatra madinidinika toa ny vary, mananasy, sy mividy fitaovana madinidinika, siramamy, kafe, petrole. Ilay fahafinaretana koa no tena ilaina.

Ireto misy sary vitsivitsy nalaina teny an-tsena tamin'ny aprily 2008 teo

Tsena trondro Voatabia Karoty Tsena Tsena Tsena Trondro maina Trondro maina Paraky gasy bononoka bononoka bononoka Bononoka sy Ketapotsy Tsena Arivonimamo Fiangonana Arivonimamo

Hitako efa mandray andraikitra kely ihany ny ambaratongam-pitondrana ao Arivonimamo amin'ny fanatsarana ny tanàna saingy mbola mila ezaka goavana. Ny sisin-dàlana aloha efa mba amboarina tsikelikely eo. Ny tsena no mbola misaritaka. Ny làlana any avara-tanàna koa mbola mila hatsaraina sns.

Ny fambolena sy fiompiana no mbola malaza ao Arivonimamo. Be dia be ny mpamboly kisoa. Raha mila mividy kisoa dia ilazao aho :-).  

Ny mbola mandreraka rehefa any dia mbola tsy tongan'ny Jiro foana ao an-trano. Efa nanao fangatahana hatry ny ela (2005) tamin'ny JIRAMA, ary efa nofitampitahin'ny olona mihitsy aza nandoa vola, fa hatramin'izao dia mbola tsy misy valiny. "Asa angamba atsy ho atsy"

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry