« | »

Ny alatsinainin'ny Paka 2013

2013-04-03 @ 12:45 in Izaho sy ny ahy, Sary

Tany Monte Cassino izahay (Mont Cassin) no nitsangatsangana tamin'ity taona ity. Niaraka tamin'ny tao am-piangonana. Làlana mandeha any Naples, eo amin'ny adin'ny iray sy sasany teo. Adino koa ny  nandrefy làlana satria tonga dia ambiance be ny teny ambony bus. Efa  nandeha tany ihany ny tao am-piangonana tamin'ny roa taona lasa fa tamin'izany hono teny an-tampon-tendrombohitra. Tamin'ity kosa tety ambany ka nalalaka tsara ny fotoana na dia tsy nahita natiora tsara aza.

Niezaka niala maraina ihany satria sao dia ho tara... efa malaza tara lava mantsy lol. Dia mba tonga aloha ary niandry azy efa-bavy izay tonga ihany nony nandrasana adin'ny iray. Vao tonga izahay dia azoko antsaina fa fanatanjahan-tena no hameno ny tontolo andro. Nisy terrains isan-karazany, nisy lapihazo efa nisy sonorisations vonona ihany koa, ary nisy tranoeva nametrahana sakafo. Toa nisy efitra lehibe ihany koa tao an-trano tao fa tsy hitako ny tao anatiny. Ilay efitra lehibe hono mantsy, raha toa ka ratsy tampoka ny andro, dia azo ampiasaina amin'ny fandihizana sns. 

Tsara tanteraka ny andro hatramin'ny enina hariva izay niomanana hody ka tsy nampiasaina ilay efitra. Vao tonga dia efa raikitra ny basket sy ny volley ary ny tolakandro dia natao grand terrain mihitsy ny basket. Samy ela tsy nanaovana sport daholo ka samy nitaraina. Ny isan-jaza koa nitaky ho an'ny ankamaroany. Na izany aza dia samy niezaka sy nalaina ny handao terrains daholo.

Ireto no sary maromaro nalaina tany. Anisan'ny nahafinaritra ahy koa tamin'ity indray mitoraka ity fa izay vao mba betsaka kokoa noho ny sary tsy nety ny sary nety taorian'ny nampiasako reflex. Efa saika kivy ihany mantsy ka saika hiverina amin'ny fakan-tsary bridge. Niezaka tsy nampiasa AF (Auto Focus) mihitsy aho. Ny objectif nampiasaina dia tsy ilay Hanimex 70-210 nolazaiko tato fa objectif Canon 90-300mm an'i Hantatiana (izay isaorana azy).

Ity blaogy ity moa ho an'izay tsy mbola zatra dia toerana itantarako ny zava-misy araka ny fijeriko azy tsotsotra. 

Tsindrio ny sary raha te hijery azy lehibebe kokoa :-)

Dia irariana ho tsara hatrany ny amin'ny manaraka

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry