« | »

Fohy ezaka sy lavitr'ezaka

2014-05-14 @ 12:36 in Izaho sy ny ahy

Tsy misy ifandraisany amin'ny lohahevitra mihitsy aloha, nahavariana ahy ny nahita an'ireto robot manidina izay baikoina ka lasa mahavita mitendry zava-maneno maromaro ireto. Tena izy fa tsy ilay animation tahaka ilay indray mandeha iry :-). Ito ny sary, sy ny video.

 

Fa ny tena resaka. Matetika ny olona no voatery maka safidy manoloana ny fohy ezaka sy lavitr'ezaka, ireo teny ireo moa no andikan'ny Malagasy ny hoe "court terme" sy "long terme". Afo mololo sa donakafon'apombo? Vola malaky sa vola mipetraka? Dia samy manana ny safidiny tokoa. Ny nanaitra ahy dia ny fanehoan-kevitr'ireo izay nifidy ny fohy ezaka ka tsy hitsinjo ny ho avy: "Fiainana mandalo ity ve" hoy ny sasany, "Iza no mahalala izay ho ampitso" hoy ny hafa, "Ny valala tsy indroa mandry am-bavahady" hoy ny Ntaolo. 

Izaho aloha hijery ny lavitr'ezaka ihany... koa miala tsiny raha medameda. Ny tonga ihany no arahabaina. 

 

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry