« | »

Blaogy, flickr, facebook, twitter... hatraiza ny fetra?

2008-08-07 @ 13:40 in Eritreritra mandalo, Izaho sy ny ahy

Manomboka betsaka ny misalasala eo anatrehan'ireo fitaovana isan-karazany atolotry ny internet. Fitaovana maro izay miezaka mampivoitra ny atao hoe "Social network" na azo adika tsotsotra hoe fiaraha-monina virtoaly. Hatraiza ny fetra?

Tsy azo boriboriana avy hatrany hoe toe-tsaina vazaha aloha ny resaka "Social network". Raha raisina amin'ny dikany hoe fiarahan'ny tsy mpifankafantra, na hoe toerana fambolena fiaraha-monina dia mba nanana izany koa ny Malagasy. Mazava ho azy, tsy amin'ny alalan'ny internet. Na mandritra ny famadihana, ataon'ny ao anivon-tany, na ny saotsa izay ataon'ny Betsileo, hatramin'ny "Enga lolo" (fanengana) izay ataon'ny faritra atsimon'i Madagasikara, dia misy hatrany ny fotoana izay tsy dia tena fantatry ny raiamandreny loatra hivorivorian'ny tanora ao anatin'ny maizimaizina. Tsy dia tena mifankahafantatra... fa dia mamboly fifankahalalana. Ekena fa betsaka ny mpanararaotra ka matetika miafara amin'ny zavatra ny resaka. Fa misy ireo izay lasa mifandray tokoa na dia isaky ny fotoana toa izany aza vao hihaona. Rehefa atao bango tokana dia toa mety kokoa ho an'ny Malagasy aza ny fiaraha-monina an-tendry lavitra... "Havan-tiana tsy maha-lavi-tany". Ilay hoe "lavitry ny maso, lavitry ny fo" dia tsy dia tena ohabolana malagasy.

 

Ankoatra ny blaogy isankarazany dia anisan'ny malaza eo amin'ny resaka Social Network

shot_twitter by you.

Ny twitter, ohatra dia hilazanao ny zavatra ataonao. Afaka manaraka, mamaly sy mifandray aminao ny hafa.

shot_flickr by you.

Ny flickr dia hampidiranao sary. Afaka mifanakalo sary sy manoratra ho anao ny hafa. Afaka miditra ho namanao koa.

shot_facebook by you.

Ny facebook dia mitovitovy amin'ny namana serasera. Afaka mitady namana ianao dia mandefa hafatra sy mijery ny sarin'ny namana.

mbola misy hafa koa toa ny Hi5.com, ny myspace.com

Fa na dia eo amin'ny internet aza dia tsy diso anjara amin'izany resaka "Social Network" izany ny Malagasy. Efa nanomboka tamin'ny 2002 ohatra dia efa nisy ny takelaka namana.serasera.org, natsangan'i Hery, izay, na dia mbola tsy tena hary fomba aza, dia afaka milaza fa takelaka mampifandray. Misy fidirana mpikambana, misy fametrahana ny mombamomba ny mpikambana sy ny sariny, misy fifandefasana hafatra manokana sns. Ary amin'izao fotoana izao dia efa mihoatra ny 23.000 ny Malagasy mpikambana ao.Tsy vaovao amin'ny Malagasy, noho izany, ny resaka "Social Network".

 

Koa amin'izao fotoana izao, izay tena mampiroborobo ny resaka "Social network" dia angamba tsy mipetraka intsony ny fanontaniana hoe sahaza sa tsy sahaza ny Malagasy ve izany. Ny fanontaniana mety hipetraka, izay mitombona na dia tsy ho an'ny Malagasy aza, dia hoe hatraiza no fetran'ny hampiasana azy io.

Raha jerena tampoka tokoa angamba dia toa fisehosehoana sy fizahozahoana no fahitana azy, izay no misakana ny ankamaroan'ny olona tsy mbola hiditra amin'izy ireny. I jogany aza moa nahateny resaka narcicisme mihitsy tao amin'ny twitter-ny nahita ny fampiasan'ny sasany ny facebook. Ahoana tokoa moa no hahasahiana mampiseho sary, fiainana andavanandro... eny hatramin'ny fiainana manokana amin'ny takelaka fantatra fa ho be mpijery tahaka ireny? Dia angamba ho mora ny miteny hoe olona "maivana" (indrindra ny vehivavy) ny olona manao toa izany. Ny sasany (tao amin'ny serasera) dia nivoady mihitsy fa tsy hampiseho ny sariny amin'olona tsy fantatra... izany no fahazoana azy raha jerena tampoka.

Fa rehefa tena mandinika lalindalina kokoa dia mahita fa toerana hivelarana tahaka ny toerana hafa rehetra ny social network. Fomba fiteniko matetika ao amin'ny Karajia sy Dinika ny hoe ataovy tahaka ny eny an-tsena. Angaha moa eny an-tsena fantatrao daholo ny olona mahita anao? Ary misy aza dia mandinika anao akaiky mihitsy nefa tsy mbola hitanao akory. Ny fitondranao varotra na fampisehoanao zavatra eny antsena dia tsy narcissisme. Tsy ny tenanao no amidy fa ny zavatra vokarinao (raha tsy hoe mpivaro-tena). Saingy ny tena mpivarotra mahay dia hatsarainy koa ny tenany mba hahalafosany ny entana amidiny. Aleo tokoa mividy zavatra amin'ny vehivavy tsara fanahy sy mitsikitsiky, toa izay amin'ny vehivavy montotra sy miavonavona. Dia inoako fa tahaka izany koa ny amin'ny social network. Talenta, fahaizana, hatsaram-panahy, asa sosialy, fitiavan-tanindrazana, sy hatsarana maro no ao ambadiky ny olona iray asehon'ny mombamomba azy (na ny profile-ny). Arakaraka ny fahatsaran'io mombamomba azy io, na arakaraka ny fahaizany manintona olona, no hahasarika ny olona hahalala ny vokatra avoakany... ary hahatomombana kokoa ny tetikasany.

Koa alao hery ary. Esory amin'izay ny voaly (na fotsy na mena na volom-parasy) manarona ny tarehy sy ny mombamomba anao. Asehoy ny talenta, aza afenina ny zavatra vitanao Malagasy. Araraoty avokoa izay fitaovana hitanao fa hampahafantarana an'i Madagasikara... ary tadidio hatrany fa miankina be dia be amin'ny fahatsoran'ny mpivarotra no mampandeha ny entana.

Fanamarihana: ho an'izay tena mahalala ahy dia mahita hoe mifanohitra amin'ny fomba fiainako andavanandro ity resaka ity kanefa izaho koa dia anisan'ny voatonona eto. Dia hiaraka hientana isika hoy ilay ranamana izay. :-)

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry