Miomana ianao ry Titih

2012-02-21 @ 16:00 in Izaho sy ny ahy

Tsy tokony ho eto no nametrahako ity lahatsoratra ity satria manana ny blaoginy izy. Fa nataoko ato ihany satria mahaliana ahy. Alarobian'ny lavenona rahampitso. Manomboka rahampitso ny fotoanan'ny karemy ho an'ny Katolika. Fotoana fampihavanana, fifandraisan-tanana sns. 

Mbola manomboka rahampitso izany fa ny androany aloha dia mardi gras. Hanim-pitoloha ho an'ny sasany, carnaval ho an'ny hafa.

Tamin'ity taona ity tokoa, izay taona voalohany nandehanan'i Aina tany am-pianarana dia nandray anjara voalohany tamin'ny carnaval izy. I Sylvestre le chat (Grosminet) ao amin'ny Looney Tunes no Saron-tava nentiny. Nanahirana ihany ny nampanohatra ilay akanjo omaly hariva. Fa nony navela irery izy dia nalainy ilay akanjo dia nampidiriny.

Fa rehefa nandinika tsara ny tantaran'i Grosminet aho vao tonga saina hoe hay moa i leiry ilay manenjika foana an'i Titi (Tweety) dia tsy mety mahazo mihitsy fa be mpisompatra. Tsy olana izany, "Fraprifti faufiffe" fa ny tena important dia ny manenjika :-)

Sylvester and Tweety

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry