« | »

Niala TIM aho nanomboka omaly satria...

2010-10-29 @ 07:29 in Izaho sy ny ahy

Vokatry ny nanaovan'ny TIM ahy tamin'iny volana lasa iny dia nanapakevitra aho nanomboka omaly fa hiala TIM. Nokapohin'ny TIM antsokosoko mantsy aho rehefa tena dinihina. Toa izao ny tantara.

Izaho dia manana promotion avy amin'ny tolotra italiana TIM hoe afaka miantso ny finday TIM hafa maimaimpoana rehefa mandoa 3 Euros isankerinandro. Nigalabona tsara aho aloha rehefa niantso TIM. Ny fantatro sy misoratra mazava dia hoe rehefa miantso hafa ankoatran'ny TIM aho, izany hoe Wind na Vodafone, dia lafolafo kokoa. Tamin'ny herinandro lasa anefa dia voatery niantso fohy dia fohy tany Madagasikara aho (2mn). Dia teo vao gaga fa efa ho 3 Euros ny minitra. Amiko dia fanambakàna tsotra izao avy amin'ny TIM izany. Fantatr'izy ireo tsara fa tsy  hisy olona hiantso any ivelany mihitsy raha toa ka mahafantatra hoe 3 euros ny minitra satria misy dia misy ny safidy hafa izay tsy mihoatra ny 50 centimes. Ka io fametrahana ny 3 euros io izany dia natao hangalarana ny volan'ireo izay sendra diso fampiasa tahaka ahy.

Koa satria efa be rahateo ny mpifaninana (Wind sy Vodafone ary Tre) dia nitady hafa aho ary nahita :-)

Manomboka izao izany dia tsy Numero TIM intsony io Numero-ko io fa efa Wind indray.

tim 

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry