Anniversaire adino

2007-12-10 @ 10:13 in Izaho sy ny ahy

Nisy namako anakiray, tena namana tokoa, izay nankalaza ny tsingerintaonany tato ho ato. Hatramin'ny nifankahalalanay sy nahafantarako ny daty nahaterahany dia tena tsy adinoko mihitsy ny miarahaba azy. Na dia hoe antsoratra fotsiny aza rehefa tsy afaka miantso. Izy koa inoako fa tsy nanadino ny ahy mihitsy, sady tsy sarotra tadidiana rahateo.
Fa tena gaga fotsiny aho tamin'ity taona ity fa tena tsy tadidiko ilay daty. Nalahelo izy (na dia mody gisa aza) fa tsy hita izay azo atao. Ny alina vao tadidiko, rehefa avy nampatsiahivina ahy, hoe fetiny io andro io... ary hatramin'izao aho mbola mieritreritra foana hoe inona marina no anton'ny fanadinoana? Angamba ireto zavatra ireto no nifangaro tao.

- Sahirana aho.

- Miha antitra aho.

- Miha lavitra izy.

- Tsy eo ve mpampatsiahy isanandro.

- Vao vetivety ny tamin'ny herintaona dia tsy noheveriko hoe tonga sahady :-)

Inoako fa tsy ho hadino intsony amin'ny herintaona. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry