« | »

Già primavera...

2007-03-05 @ 08:36 in Eritreritra mandalo, Izaho sy ny ahy

Mi-ril be ny fotoana tamin'ity taona ity. Efa ho tapitra sahady ny telovolana voalohany. Ny nokasaina hatao 2007 nefa tsy mbola nanomboka akory. Efa mafana sahady ny andro. Izahay aza efa nihinana glasy sahady omaly (izaho no marimarina kokoa fa ny sasany efa henoko hoe naka avansy daholo).

Ankoatr'izay dia tapitra omaly ny 57° Festival della Canzone Italiana... na koa ilay atao hoe Festival di Sanremo. Ny nahafinaritra ahy tamin'ity indray mitoraka ity dia i Michelle Hunziker (ilay conduttrice tiako indrindra) no nanentana ilay fety. Tsy dia tena nanaraka hatramin'ny farany ity fety ity aho kanefa hitako hoe nahafinaritra ihany ilay izy. Vavolombelon'izany rahateo ny habetsahan'ny mpijery azo (tamin'ny fahitalavitra) mihoatra noho ny tamin'ny herintaona. Nandresy tamin'ity andiany faha 57 ity i Simone Cristicchi tamin'ilay hira hoe "Ti regalerò una rosa".

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry