« | »

Ny namana.serasera.org dia tsy facebook

2009-10-24 @ 14:37 in Izaho sy ny ahy

Na dia toerana fifandraisana , fitadiavana namana, antsoina ihany koa amin'izao hoe "Social network" na "Réseau social" asa ny namana.serasera.org dia misy zavatra vitsivitsy izay mampiavaka azy amin'ireo social network hafa. Angamba tokoa noho ilay toe-tsaina nanamboarana azy mbola tranainy kokoa (fa tsy ratsy), sy Gasy kokoa (fa tsy ratsy) izay mbola tsy hita izay maharatsy azy amin'izao. Ireto ary ny zavatra hitako izay anisan'ny mampiavaka ny namana.serasera.org:

Namana:

Hatramin'ny niatombohan'ny takelaka namana.serasera.org (oktobra 2002) dia namana no iantsoana ny mpikambana ao amin'ny namana.serasera.org. Mifono zava-dehibe io satria midika io fa rehefa miditra ho mpikambana ianao dia efa namana sahady... efa naman'ny rehetra.  

Solonanarana:

Ny namana tsirairay ao amin'ny namana.serasera.org dia fantatra amin'ny solonanarana. Amin'izay maha solonanarana azy izay dia tsy voatery lazaina ny anarana. Misy toerana izay ahafahana mampiditra ny fanampinanarana raha tiana saingy tsy voatery. Hatramin'izay dia nifampiantso amin'io solonanarna io ny namana ao anatiny sy ety ivelan'ny takelaka. Na dia mihaona tokoa mantsy aza rehefa avy eo dia mbola iny solonanarana iny no ifampiantsoana. Tsy voatery miteny ny tena anaranao mihitsy izany ianao... ary tsy mahamenatra izany. Moramora kokoa ny fifandraisana satria misy tadin-dokanga itovizana fa tsy hoe ny sasany mahafantatra anarana ny sasany tsia.

Tery kokoa (dika mivantana):

Tery kokoa amin'ilay dikany mivantana ny namana.serasera.org. Vitsy kokoa ny namana ary afaka mifandray avy hatrany. Na mbola tsy mpinamana aza dia efa afaka mifankahita izay mahaliana sy mifampizara izany. Misy ihany ny zavatra natao ho an'ny namana manokana fa ny ankamaroan'ny zavatra soratana dia eritreretina avy hatrany ho hitan'ny namana rehetra araka ilay nosoratana tetsy ambony.

Tery kokoa (dika malalaka):

Mbola tamin'ny fotoanan'ny maha "tery saina" (lafiny tsara) ny tanora no nanamboarana ny namana.serasera.org. Dia izay toe-tsaina teritery izay, izay mbola tsy hita izay tena maharatsy azy, no itondrana azy hatramin'izao. Nataoko hoe tery satria raha vao apetraka ny resaka fifanajàna, fahamaotinana sns dia tonga dia izay hoe "tery saina" izay no amaritan'ny maro azy. Izay mihitsy anefa no ezahina hamafisina hatramin'izay: ny fifanajana sy ny fahendrena Malagasy no ezahina ifandraisana. Tsy azo atao ohatra ny manopa sy mampiasa teny na zavatra mamoafady... raha azo atao tsara izany @ toerana sasany.

Isan-karazany:

Misy zavatra izay ataon'ny facebook, ohatra ilay hoe "Tadiavo @ alalan'ny email-ny sao efa ato amin'ny Facebook ny namanao". Izany hoe mametraka adiresy email ianao dia avy eo mitranga raha ao iny olona iny miaraka amin'ny anarany. Araka ilay voalaza etsy ambony dia sarotra tanterahina izany eto amin'ny namana.serasera.org. Na azo atao tsara aza ara-teknika dia tsy mifanaraka amin'ilay resaka solonanarana. Manjary mibaribary hoe hay ve i Ranona no mitondra an'io solonanarana anona io e.

Ny sary eto amin'ny namana.serasera.org hitan'ny namana rehetra dia tsy maintsy misy sarin'ny tavan'ilay tompon'ny sary. Miezaka manara-maso izany mihitsy ny namana vitsivitsy mpandrindra ny sary. 

dia inona koa re e? :-) 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry