Weekend tany Borgosesia

2013-02-25 @ 10:00 in Izaho sy ny ahy

Nahafaly ahy ny dia farany tany Milan tamin'ny weekend teo. Tsy dia tena ilay nahita tany hafa loatra fa ny votoatin-dia mihitsy. Toerana mbola tsy hita tokoa aloha ilay nandehanana na dia nandalovana matetika aza rehefa mandeha any Torino. Tao amin'izany Novara izany aho no nijanona tamin'ny fiaran-dalamby dia niaraka kely tamin'ilay namana izay tonga nitsena sy niantsena. Fa ny toerana tena nitodiana dia any amin'ilay Borgosesia. Nanatrika ny nankalazan'ny fikambanana Gasy Tsy Manavaka (GTM) ny andro natokana ho an'ny tenin-dreny no tena naleha tany. Ny GTM dia fikambanan iray ivondronan'ny Malagasy any Italia avaratra any, Torino, Milano sy ny manodidina. Manao hetsika matetitetika ry zareo mba hihaonana sy hampivondronana ny samy Malagasy. Volana vitsivitsy lasa, ohatra, dia efa nisy ny fifaninanana fitafy malagasy, ny alim-pandihizana malagasy, ary izao indray dia nanao fifaninanana rindran-teny ry zareo ho fanamarihana ny andro ho an'ny tenin-dreny.

                  

Nahafinaritra ny lalonana amin'ny ankapobeny. Nahitana karazan'olona maro ihany koa, na mpikambana na mpitsidika, hitako tao, ohatra ry zareo avy ao amin'ny madainitaly.com izay fikambanana manao tetikasa any Madagasikara ihany koa. Ny mpikambana ao amin'ny GTM izay anisan'ny nanaitra ahy satria dia samy manana ny fiaviany. Malagasy avy amin'ny faritra samihafa ao Madagasikara nefa anaty fikambanana iray. Ny eto Roma mantsy matetika dia miankina amin'ny fiaviana ny fikambanana (zanak'i Gasikara, Terak'i Fianarantsoa, ary Fraternità del Madagasikara ho an'ny avy any avaratr'i Madagasikara).
Rehefa vita ary ny fifampiarahabana dia ny sakafo hariva no nanombohana ny hetsika. Efa taratara ihany mantsy vao nanomboka na dia tamin'ny 7 ora hariva aza no nisoratra tao anaty fandaharam-potoana. Sakafo malagasy sy Italiana no tery amin'ny latabatra an-jorony ka samy nitsangana naka izay sahaza azy. Nisy hatramin'ny ravitoto sy henankisoa. 

Taorian'ny sakafo ary dia natomboka amin'izay ilay fifaninanana rindran-teny. Mpikambana efatra no tena nandray anjara ary ny foto-kevitra naseho dia ny "Fihavanana malagasy". Nampientana tokoa ny naheno ny filazan'ny tsirairay ny heviny momba ny fihavanana malagasy. Samy nahitana ny tokony hanamafisana hatrany ny fifandraisana sy ny firaisan-kina izy ireo. Nohaingoina tamin'ny ohabolana sy fomba fiteny isankarazany... hatramin'ny tonon-kiran'ny mpihira madinika ankehitriny aza. Nisy avy eo ny fitsaràna sy ny fanomezana mari-pankasitrahana.

Notohizana tamin'ny fandihizana hatramin'ny roa maraina ny lanonana. Samy nandray anjara avokoa, hatramin'ny ankizy kely. Ny fotoana tsy maintsy hisarahana no nampalahelo. Nofaranana ofisialy ny lanonana tamin'ny roa maraina rehefa avy nandamina sy ny fanao veloma. Nisy ireo mbola nandeha nanohy amin'ny toerana hafa fa izahay nanohy ny dia tany amin'ny fianakaviana iray niandry ny andro ho maraina handraisana ny fiaran-dalamby hiverina ho aty Roma indray. Fa boribory tokoa ny tany satria tamin'io fotoana io no nifankahafantatra tampoka tamin'ny namana iray izay efa tsy nihaona intsony nandritra ny 25 taona aho. Izy aloha tena tsy niova ka efa nahalasa saina ahy ihany hoe dia olona mitovy tokoa. Kay tena izy. Dia resaka sy fitantaràna ny lasa no namenoanay roalahy ny fotoana sisa nihaonana.

Tsy maintsy nisaraka na dia mbola betsaka aza ny resaka sady ny ranomandry rahateo nilatsaka be. Fotsifotsy tanteraka ny arabe, soa ihany fa vao nilatsaka mihitsy ka mbola afaka nandeha mafy ny fiara. Nahatratra soa amantsara ny fotoana fiaingàna hitodi-doha aty Roma ihany aho iny maraina iny.
Dia mamerina ny fisaorana ho an'ireo namana rehetra avy ao amin'ny GTM ary manantena mbola hihaona amin'ny hetsika hafa na any na aty Roma. Efa mipetraka sahady moa ny fotoanan'ny mpikambana amin'ny 9 marsa hankalaza ny andron'ny vehivavy. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry