Distance de sécurité

Fampidirana lava be :-) Ohatry ny efa mahazatra ahy ilay manao fampidirana lavalava alohan'ny tena resaka. Sady coup de gueule ihany koa indraindray. Ka alohan'ny hilazako ny tena foto-dresaky ny distance de sécurité tiako lazaina dia hiresaka ny tena distance de sécurité aho Tongue out. Misoratra tsara ao anaty lalàm-pifamoivoizana ny fanajàna ny distance de sécurité, izay fitazomana ny elanelana misy eo aminao sy ny fiara eo alohanao mba tsy hisy ny loza raha sendra mijanona na tafajanona tampoka izy. Ny formula ampiasaina dia ilay atao hoe "5/9". Izany hoe ny hafainganam-pandehanao ampitomboina 5/9 no tokony ho elanelana eo aminao sy ny fiara eo aloha. Raha mandeha 100km/h ianao dia tokony ho 100 x 5 / 9 = 55,5m eo ny elanelana. Ny olana sady faran'izay mandreraka eto Italia dia raha vao manaja an'io elanelana io ianao dia mety tsy hihetsika intsony mihitsy ny fiara. Satria tonga dia songonan'ny olona avy hatrany, dia voatery mihemotra ianao hanaja ny elanelanao amin'ilay vao nisongona, dia misy misongona hafa indray. Raha vao misy elanelana kely hidiran'ny fiara fotsiny eo alohanao dia tonga ny mpisongona na dia samy mandeha mafy izao ihany aza. 

Fa tsy izay mihitsy no votoatin'ity lahatsoratra ity fa fitadiavana hevitra amin'ny distance de sécurité ao antrano Smile. Ny anay ny boay kely mantsy izao efa 4 taona mahery dia efa fetsifetsy be. Efa fehezina tsara ihany ny ora andefasana ny fahita lavitra ao antrano ary voahaja tsara ihany izany. Saingy amin'ny ora izay voatokana ho an'ny fahita lavitra ka raha vao tsy eo kely fotsiny ianao dia tonga dia eo akaikin'ny vata fahitalavitra i leiry no mijoro sy mijery. Hita tsara sy heno tsara ihany anefa na dia mipetraka alavitra aza. Dia tenenina foana.


Ao ambadiky ny fitaratra ny sary atao hoe Pietà nataon'i Michelange ao Roma

Raha vao tsy jerena kely dia miverina eny indray. Henoko nefa, sady hitako hoe marina, hoe ny elanelana kely indrindra tokony hisy eo amin'ny ankizy sy ny vata fahitalavitra dia tokony ho in-6 n'ny savaivon'ito farany ("Pour la télévision, la bonne distance dépend de sa taille. On estime que le recul doit être au moins égal à 6 fois la diagonale de votre écran") ka vaka ny saiko. Tsy maintsy hasiana fefy manokana izany eo alohan'ny télé? Sa atao ohatry ny "Pietà" ao amin'ny Bazilikan'i Md Piera ao Roma, asiana fitaratra manelanelana amin'ny mpijery? Sa asiana tsipika mavo tahaka ny eny amin'ny fitobian'ny fiarandalamby? (Alontanarsi della linea gialla?)

Ka izao no mba revirevy atsipiko ho an'ny mpanamboatra an'ireny vata fahitalavitra ireny. Tokony hasiana mpitsilo hetsika (détecteur de mouvement) na mpitsilo elanelana (détecteur de distance) izay azo atao tsara mitovy amin'ireny infrarouge amin'ny télécommande ireny ihany eo amin'ny vata fahitalavitra. Azo ahitsy ao amin'ny "settings" ny elanelana kely indrindra, ohatra hoe 3 metatra, ary azo esorina tanteraka ao ihany koa ilay izy raha tsy ilaina. Dia raha vao misy olona manatona ao anatin'iny 3 metatra iny dia maty ilay fahitalavitra. Fa amin'izay fotoana izay aloha dia toa tsy maintsy hafatotra ihany ny saka na alika kely raha misy ao antrano... Sao dia rehefa mijery baolina tsara iny ianao ka adino ny nanala ny mpitsilo elanelana no maty tampoka satria nandalo teo alohan'ny vata fahitalavitra ny saka.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry