Fandalovana eto Mada - Dobla fasy

2008-04-12 @ 09:52 in Izaho sy ny ahy

Misy Face A sy Face B tahaka ny mozika koa ilay fandalovana eto Madagasikara (Efa fantatrareo ve ilay Face B de la musique malgache?)... efa herinandro mahery izay no nahatongavako teto fa ankoatry ny fahafinaretana isankarazany dia misy koa ny Face B

Face A - Milay ilay manao Karaoke ao amin'ilay toerana anakiray ao amin'ny Arcade. Misy mantsy amin'ny toerana hafa horahin'ny olona rehefa sendra mamalana... ka raha sendra ratsiratsy feo toa ahy dia aleo mifidy toerana mangingina.

Face B - Very (mba tsy hilazana hoe nisy nifelaka) omaly ny finday... sy zavatra maromaro. Ilay finday aloha tsy dia olana loatra fa ilay zavatra maromaro tao anatiny no nandreraka be ny nieritreritra azy. Raha misy te hiantso ahy dia tsy mandeha intsony indray ilay numero Celtel farany iny :-(

Face A - Ary tena fanafody tsara mihitsy ny tsindromin'ny tantely... mety hahasolo antibiotika ho an'izay mahazaka azy... tandremo fotsiny sao dia alerzika fa mety hahafaty.

Face B - Maty ny tantely raha vao avy mitsindrona anao :-)

Face A - Be mihitsy ny orana nilatsaka tamin'iny herinandro iny. Hatrany Bira ka hatrany Imamo... asa na hanao ahoana ny eto Iarivo androany hariva...

Face B - Aza mivoaka rehefa avy ny orana... fa dia fotaka. Nisy havandra grama maromaro hono nilatsaka tany Vohipeno.

Na izany na tsy izany dia tena tamana mihitsy kah. Ary ohatrinona marina ny tena vidin'ny THB e? :-)

Ireo ankavanana ireo no atao hoe bononoka dia ilay ankavia Ketapotsy v.2 (Tsy ohatra an'io tsinona ny ketapotsy taloha)

 

 

 

 

Antsirabe

 

Tsy tafiditra izay sary tiako nampidirina fa milona loatra.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry