Nofy fahavaratra

2021-06-23 @ 05:38 in Izaho sy ny ahy

Zavatra tsapako tato ho ato hoe lasa tsotra be ny nofiko. Angamba hoe efa miha be taona. Tsy misy suspens mampitaintaina intsony. Izany nofy ratsy izany moa dia efa ela tsy hita. Ny nofy faran'izay ratsy nitranga angamba dia ilay nanofy hoe mamo. Tamin'izay ara mbola izaho ihany no nanamboatra ny scenario satria tsy sensation mbola niainako mihitsy ilay mamo. Fa ohat'izany daholo ny nofiko amin'izao. Ohatry ny hoe fiainana hafa en parallèle fotsiny ny nofy, zavatra azo tanterahina daholo... nefa hono mba nofy 😊

Taloha nefa misy nofy tena hoe nofinofy. Rehdfa taitra ianao dia mbola miezaka mitady torimaso hanohizana azy. Na foronina eo am-pandriana mihitsy ny épisodes sasany. Dia manofinofy eo. Izany manofy manidina izany tena fahasambarana. Nisy an'izay nofiko manidina niverimberina izay. Tao anatina tunnels maromaro misesy hono... toa lalan'ny fiaran-dalamby mandeha any Ambatolampy. Dia miditra anatin'ny tunnel iray. Rehefa ao anatiny nefa no tonga ny fiara dia manidina aho mba tsy ho tratrany. Im-betsaka mihitsy izay nofy iray izay no niverina. Karazana superman kely izany tamin'izany. Fa izao tsy nisy intsony.

Angamba misy dikany ara-pahasalamana koa izany. Matetika mantsy ny nofy ratsy dia misy dikany ara-pahasalamana, aretim-po na aty na saina sns. Ka angamba ny manofy tsara na tsy manofy be koa misy dikany hafa.

Podcast

2021-06-03 @ 20:29 in Izaho sy ny ahy

Mpihaino radio mavitrika aho, ary hitako hoe raha eto Frantsa dia mbola manan-danja ihany ny radio na dia eo aza ny firongatry ny internet sy ny fahitalavitra. Ny anisan'ny itiavako ny radio dia noho izy tsy mibahana ny asan'ny maso. Na dia mandeha aza ny radio dia mbola afaka manao ny asa fanaoko ihany ny masoko... na dia hoe marina fa mihena kely aza ny fifantohan'ny saina. Ny radio tena henoiko matetika dia ny France Inter, FM 95,70 izy raha avy eto amin'ny toerana misy anay. Efa mila ho haiko tsianjery avokoa ireo fandaharana sy ny mpanolotra azy. Azo atao hoe radiom-panjakana, ilay antsoin-dry zareo Frantsay hoe  "service public" ny France Inter ka matotra kokoa ny fandaharana vokariny. Misy izany ny fandaharana ankafiziko manokana fa misy koa ny tonga dia dinganiko avy hatrany. Resaka safidy ilay izy ka tsy dia tena hoe hovelabelarina.

Fa ny antony nanoratako ity dia te hizara aminareo mpamaky aho hoe ankoatra ny radio mivantana dia miha-malaza koa amin'izao ny resaka podcast. Izany hoe karazana radio tsy mivantana. Azo eritreretina hoe mitovy amin'ireny youtube ireny izy saingy tsy sary fa feo kosa. Izany hoe karazana fandaharana mpandeha amin'ny radio no henoinao fa tsy mivantana. Afaka misafidy izany ianao araka izay tianao. Ankoatra ny fandaharana mpandeha ao amin'ny radio France Inter ary dia nanintona ahy tato ho ato ny tantara vokarin'izy ireo izay mivoaka ao amin'ny Les fictions de France culture... satria tena izany koa ny podcast... misy tantara izay azonao henoina. Tantara foronina tahaka ireny mpandeha amin'ny radio tany Madagasikara ireny, saingy amin'ny teny frantsay mazava ho azy. Raha hihaino sombin'ny zavatra nahaliana ahy ianareo dia afaka mihaino avy hatrany eto ambany eto. Misy tantara fohy tahaka izao koa mantsy ao.

Dia lasa mitombo kely ny eritreritro hoe tsy tokony ho azo atao ve ny zavatra toa izany amin'ny teny malagasy? Tena mahaliana ahy raha mba misy toerana fitehirizana tantara na fandaharana maro amin'ny teny malagasy. Raha misy ny mpanohana dia vonona ny hanomboka izany ao amin'ny RadioVazoGasy aho...

 

Manina ny bar aho izany

2021-02-27 @ 09:22 in Izaho sy ny ahy

Alasarona kely aloha. Tany Italia dia in-telo isanandro farafahakeliny no miditra "bar". Saingy ny "bar" any Italie dia tsy fisotroana toaka loatra, na dia mivarotra toaka koa aza, fa fisotroana kafé. Efa ho isaky ny 100 metatra dia misy "bar" ary tsy mahamenatra mihitsy ny mipetraka maharitra ao anatiny. Misy sakafo koa aza izy indraindray. Ny aty Frantsa indray ny "bar" toa tena fisotroana mihitsy, na dia mivarotra kafé koa aza izy indraindray.

Amin'izao fotoanan'ny COVID izao dia mihidy ny bar aty, efa ho am-bolana izao. Any anefa no toerana tena fihaonan'ny ankamaroan'ny olona. Ny mpiara-miasa rehefa avy miasa dia any no manala havizanana kely amin'ny resaka ivelan'ny asa tanteraka. Ny tanora vao mifankahalala dia any no mifanasa amin'ilay teny malaza hoe "je t'offre un verre?". Ny andian-jatovo mpinamana dia mbola any koa no "mandamina" fandaharam-potoana ho an'ny lahy sy "mifosa" ho an'ny vavy. Ireo efa zokinjokiny sy misotro ronono koa dia any no mifampiresadresaka ny "fiainana taloha" na dia tsy ronono akory aza no sotroiny any.

Fa ny tena nahatonga ahy nanoratra ity lahatsoratra ity dia ny hampahafantatra anareo ny site iray nanaitra ahy "I miss my bar" izany hoe manina ny bar-ko aho. Takelaka iray hihainoana ny feo mitranga ao anaty "bar". Mandritra izao fotoana fikatonan'y "bar" izao dia mety misy ireo te hihaino ny feo fandre anatin'ireny "bar" ireny. Ka nisy nanana hevitra nametraka anatin'io site io izany feo izany. Ho henonao ao ny feon'ny mpikarakara cocktail, ny fampidinana zava-pisotro anaty vera, ny feon'ny olona manodidina sns.

Koa raha manimanina ny "bar" ianao amin'izao fotoan-tsarotra izao dia aza misalasala mandeha ao amin'ny http://www.imissmybar.com/

Fiomanana noely 2020

2020-12-12 @ 10:00 in Izaho sy ny ahy, Fiaraha-monina

Ny firariana dia hoe hijanona ho fahatsiarovana ity taona 2020 anisan'ny nanahirana an'izao tontolo izao ity. Tamin'ny herintaona tahaka izao tokoa dia tsy nisy nieritreritra hoe ho tahaka izao ny fiafaran'ity taona 2020 izay nolazaina hoe 20/20 ity. Ravan'ny COVID19 ny ankamaroan'ny tetikasa rehetra. Betsaka ny lasa tsy an'asa. Fa anisan'ny mampalahelo dia tsy voafehy ilay fiparitahan'ny valan'aretina ka na ny fetin'ny faran'ny taona aza dia tsizarizary.

Tsy dia tena ifanomezantsiny nefa na izany aza dia tsara ihany tsiahivina ho anatra ho an'ny sisa (sy ho an'ny hafa) fa ny tsy fitandremantenan'ny tsirairay no mahatonga an'izao fitarazohan'ny valan'aretina izao. Ady be mihitsy vao mahavita mandresy lahatra ny tsirairay hoe mampiasà masques, tandremo ny fifaneraserana, manasà tanana matetika sns. Nandritra ny vakansy jolay sy aogositra dia tahaka ny hoe tsy nisy valan'aretina atahorana na dia naverimberina foana aza hoe tsy mbola tapitra ny fifindran'ny aretina. Toa izay miteny foana no diso. Tsy eo no ho eo koa moa ilay fahavoazana dia tsy tsapan'ny tsy tonga saina. Raha ohatra ka hoe vao tsy mitandrina tonga dia mikohaka, mety ho betsaka ihany no nitandrina.

Jereo anefa ny any Chine amin'izao, tany no nipoiran'ny aretina kanefa amin'izao tsy nisy deuxième vague tany. Satria mafy be mihitsy ny fepetra noraisin'izy ireo tamin'ny fiarovana.

Ny hany azo atao dia ny manaiky izay fepetra mitranga eo. Misy fanantenana kely koa noho ny fisian'ny vakisiny kanefa izao dia efa betsaka sahady indray no miezaka manohitra. Fikafika fotsiny hono ny vaksiny e, resaka politika e. Ny sasany aza moa dia mieritreritra hoe misy fifandraisany ny 5G sy ny vakisiny.

Ny fepetra noraisin'ny fanjakana frantsay izany amin'izao noely izao dia ny couvre-feu manomboka amin'ny 20h hatramin'ny 6h, ka tsy hisy indra fo ho an'izay tratra. Mbola betsaka koa ny toerana mihidy ho fitsinjovana ny fivezivezena sy fifampikasohana. Dia miandry ny fivorany.

 

Bye bye serasera yahoogroups

2020-12-06 @ 17:43 in Serasera.org, Izaho sy ny ahy

Lahatsoratro farany tao amin'ny [email protected] 

---------

Miarahaba antsika rehetra

 

Araka ny vaovao izany dia mifarana amin'ity faha 15 ny volana désambra 2020 ity ny Yahoo Groups izay nampiantrano ny dinidinika teto amin'ny Serasera nandritra izay 20 taona mahery kely izay. Nanomboka tamin'ny taona 1999 tany tokoa no nanombohan'ity toerana fifanakalozana ity. Ary ity fifandraisana antsoratra ity no niantombohan'ny hevitra rehetra ao amin'ny serasera.org Nisy ny fotoana tena nilàna izany teo amin'ny fiainan'ny diaspora. Fotoana nahafinaritra ireny ka isaorana antsika rehetra.
Amin'izao fotoanan'ny tambazotram-piaraha-monina izao dia tsy dia misy manoratra eto firy intsony isika na dia mbola mandray hafatra daholo ihany aza. Amin'izao dia misy 1000 mahery ny mpikambana mbola mandray hafatra. Ka angamba hivalona ho tantara amin'izay izany ny Serasera. Raha misy soso-kevitra hafa moa dia raisina ihany.
Koa mamerina ny fisaorana antsika rehetra indrindra ireo izay teto hatramin'ny voalohany, niatrika ny resaka rehetra teto. Angamba nisy vokany tamin'ny fiainantsika, na ny fiainan'ny Malagasy hafa ihany ireny resaka rehetra nandalo teto ireny. Ho ahy manokana dia nampivoatra ny fomba fisainako sy ny fomba fijeriko ny raharaham-pirenena ny fiseraserana teto amin'ny serasera ary nandray anjara tamin'izany avokoa ianareo rehetra.
Ny takelaka serasera.org sy ireo sampana rehetra avy aminy dia ezahiko tohizana ihany.
Soava dia daholo
Hery

 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry