Misy inona eto Vatican?

2015-11-03 @ 20:37 in Izaho sy ny ahy

Haheno resa-be momba an'i Vatican indray isika ato ho ato noho ny fivoahan'ny boky anakiroa izay milaza kolikoly eo anivon'ny mpiasa ambony ao Vatican. Ny votoatin'ireo boky ireo dia manambara ireo fanodikodinam-bola sy fiainan'ny mpanan-karena ataon'ireo olona vitsivitsy ao amin'ny governemantan'i Vatican. 


sary afp

Araka ny re dia tsy mandà ny zava-mitranga ny Papa saingy tony kosa izy satria ady efa natombony hatramin'ny nitondrany ny Fiangonana ny ady amin'ny kolikoly sy ny fahalovana. Mbola misy ireo resin'ny fakam-panahin-dravola ao Vatican tsy maharitra ny mena miraviravy ka mbola manao ny fomban'izao tontolo izao amin'ny figalabonana amin'ny zava-mandalon'ny tany. Vao tonga teo amin'ny toerany ny Papa François dia nahatsikaritra fa misy olana ihany amin'ny fiainana ataon'ireo olona sasany ao Vatican. Nambarany ombieny ombieny fa tokony hiaina ny fahantrana, araka izay lazain'ny Baiboly tokoa, ny Fiangonana indrindra ireo izay eo amin'ny fitondrana. Tamin'ny 22 desambra 2014 ary ny Papa, dia nanao kabary izay nitsikera lalina tokoa ny toe-piainana anaty harena ilomanosan'ny mpitondra sasany. Nantsoina hoe "Kabary mikasika ireo aretina 15" izany kabary izany (jereo eto). Nisy tamin'ireo izay voatsindrona mivantana no nahasahy nijoro ho vavolombelona fa tsy nety tokoa ny fomba niainany ka hanitsy izany. Nisy kosa vitsivitsy izay tsy faly tamin'ny kabarin'ny Papa.

Tsy zava-miafin'i Vatican araka izay lohatenin-gazety natao hanaitra izany ny zava-misy amin'izao fotoana izao fa toe-draharaha efa fantatra sy efa ilofosan'ny Papa hiadiana amin'izao fotoana izao. Ny inoana fotsiny dia hisy andinindininy (détails) betsaka kokoa ao anatin'ireo boky ka izay indrindra no mahatonga ny fanadihadiana isan-karazany satria avy amin'ny andinindininy izay nivoaka dia inoana fa nisy ireo namoaka tsiambaratelom-panjakàna. Amin'ny maha fanjakàna (Etat) mahaleotena an'i Vatican, dia misy tokoa ny atao hoe "secret d'état" ka tsy maintsy misy ny fanadihadiana rehefa mivoaka ireny hahitana hoe iza no namadika. Izany "délits administratifs" izany dia tsy misy ifandraisany amin'ny resaka fahamarinana na tsy fahamarinana ao anatin'ny dossiers navoaka izay "délits moraux". Ny fanjakàna dia manasazy izay namoaka tsiambaratelo araka izay nifanarahana. Anjaran'ny lehiben'ny Fiangonana dia ny Papa kosa ny mandray ny andraikiny vokatry ny fanadihadiana anatiny mikasika an'ireo olona voalaza ao amin'ny boky.

Dia miandry ny tohiny isika amin'izao fotoana izao. 

Toerana fianarana fiteny

2015-10-30 @ 09:19 in Izaho sy ny ahy

Fianarana hatrany ny fiainana. Rehefa misy fotoana na toerana hahafahana mianatra dia mianatra zavatra vaovao. Tsy voatery ilaina eo no ho eo... mety tsy ho ilaina mihitsy... nefa mety ho ilaina tampoka koa any aoriana any. Efa malalaka sy feno fitaovana amin'ny internet mikasika zavatra maro azo ianarana dia aleo araraotina. Mianatra mahandro, manjaitra, manamboatra fiarakodia, mandrafitra, informatika, fiteny vaovao. Ny youtube.com no toerana voalohany hahitako fianarana an'ireo rehetra ireo... hatramin'ny mianatra manotra :-)

Fa ny hitako tamin'ity herinandro ity dia ity takelaka iray ity duolingo.com izay fianarana fiteny (langue). Hitako fa tsotra sy manintona ny fomba fampianarany. Tsy mandreraka loatra nefa miditra tsikelikely ao anaty saina sy fitadidiana ny lesona. Ianao ihany no mamaritra ny fatran'ny fianarana tokony hatao isan'andro araka izay fotoana ananana.

Nifidy ny hianatra fiteny alemana aho na dia tsy manana namana alemana sy tsy mieritreritra ny hipetraka any aza :-) Nanandrana sy nanao fanamby fotsiny hoe raha tena mahomby io takelaka io dia tokony hahay teny alemana aho, izay teny anisan'ny sarotra indrindra. Telo andro izao aloha dia nolazainy fa efa 9% no vita... hiezaka hanaraka ny rindra atolony tanteraka aho dia ho hita eo ihany rehefa 100% na nahay fiteny tokoa aho na tsia...

Misy fianarana fiteny italiana, anglisy sns koa ao raha hanandrana

Mugabe sy ny pelaka ary ny tandrefana

2015-09-30 @ 09:18 in Izaho sy ny ahy

Miala tsiny avy hatrany raha tsy hitako ny dikan-teny hilazàna ny "homosexuel" amin'ny teny malagasy. Mety hoe tsy fomba malagasy mihitsy angamba izany ka tsy namoronany teny. Ny fivarotan-tena mantsy izao, na dia fomba tsy dia mahomby loatra aza dia misy dikanteny amin'ny teny malagasy. Koa ialan-tsiny fa dia io "pelaka" io aloha no teny ampiasaina. Raha toa moa ianareo izay "homosexuels" sendra mamaky an'ity lahatsoratra ity manana teny malagasy hafa tokony hiantsoana anareo dia afaka milaza izany eto.

Fa ny tena resaka dia ny kabarin'i Mugabe tao amin'iny fihaonamben'ny firenena mikambana tamin'ity septambra 2015 ity iny. Nanitrikitrika izy fa i Zimbabwe dia tsy hanaiky ny "homosexualité" izay toetra tian'ny tandrefana hapetraka fotsiny tsotra izao. Efa naverimberiny tamin'ny kabary fanaony tao an-tanindrazany ny resaka tahaka izao fa tsy nisy nanam-po hoe holazainy eo amin'ny pilpitran'ny Firenena Mikambana. Betsaka ny nihomehy, nisy koa ny nitehaka tsy sazoka ireo filoham-panjakana izay nanatrika.

Izaho na dia tsy mankasitraka ny didy jadona aza dia manome rariny an'i Mugabe ihany, indrindra eo amin'ilay fihizingizinany. Saro-piaro amin'ny kolotsainy sy ny fomban-taniny izy, ka anjarany no mijery izay tokony hitehirizana izany. Ary tsy tokony hidiran'ny tandrefana izany. Eo amin'io fidiran'ny tandrefana io mihitsy no manahirana indraindray satria resaka fomban-tany, kolotsaina izy ity, mitovy tsy misy valaka amin'ny hoe resaka finoana. Raha manapa-kevitra ny ho silamo ny firenena iray, tahaka ireo repoblika islamika maro, dia sarotra be ho an'ny kristianina ny mivelona any. Misy ny fanenjehana, sarotra na tsy azo atao mihitsy ny manangana fiangonana... kanefa tsy miditra ny tandrefana. Toa izay hahitany tombony ihany no idirany. Koa aleo tsy asiana tombo sy hala. Avelao i Mugabe hanao izay heveriny fa mety ao amin'ny fireneny... rehefa tsy misy herisetra. Na ny any amin'ny firenena tandrefana koa aza dia misy lalàna moraly maromaro, toa ny lalàna manafay ireo izay mamoafady (na ny Outrage public à la pudeur), izay misy tsy mifanaraka amin'ny fisainana afrikana kanefa tsy idirany. Koa amiko dia tsy tokony hisy ny fanaovana bambaray resaka kolotsaina sy moraly. 

Ary ny ao Madagasikara tokoa ve milamina ny pelaka?

 

 

 

Pourquoi j’ai 4999 amis sur facebook

2015-08-16 @ 11:59 in Izaho sy ny ahy

Efa elaela ihany izay nanaovako facebook izay. Ary nisy fotoana ara tamin’ny taona 2009 nanaovako veloma kely azy mihitsy nakana aina sy nieritreretana (Jereo eto). Nony niverina aho 9 volana taty aoriana dia nazava tsara tao an-tsaiko ny tanjona hanaovana facebook. Nazavaiko kely tato tamin’ilay fiverenako.

Amin’izao aho izany dia manana namana 5000 latsaka kely. Tsy azo fenoina 5000 na dia efa betsaka aza ny lisitry ny mpangataka ao satria manjary tsy afaka mampiditra intsony. Fa nahoana? atao inona daholo? Indrindra raha tsy miresaka, tsy mi-commenter, tsy mi-j’aime, atao inona fotsiny ao?

Amin’izao  ny facebook-ko dia raisiko ho mitovy amin’ny carnet d’adresses na contacts amin’ny finday. Rehefa tadiavina tampoka ilay olona, tiana handefasana hafatra tampoka, dia mety ho hitako ao amin’ny facebook izy izay. Ny tanjoko izany tsy hijery tsirairay azy 5000 isaky ny mihetsika satria dia tsy ho araka tokoa, na hi-j’aime izay lazainy sns… tahaka ny hoe tsy hiantso ny contacts ao amin’ny finday isaky ny mihetsika aho na hijery ny laharany isaky ny mihetsika, fa rehefa ilaina izy dia tadiavina dia antsoina na resahana.

Koa aza omenareo tsiny mihitsy aho raha tsy mijery ny momba anareo akory… fa voatahiry ho anisan’ny namako ihany ianareo. Raha tsy mety aminareo moa izany dia azonareo esorina. Raha fantatrareo fa tsy mety hifandray amiko mihitsy ianareo any aoriana any na tsy hisy fotoana mety hifandraisako aminareo mihitsy dia tena marina hoe tsy tokony ho ao anaty lisitra ao akory aho. Tahaka ny hoe numero telephone fantatrareo fa tsy hifandraisanareo intsony mandrakizay ve moa hotehirizina ao anaty contacts ao?

Izany anefa tsy midika hoe tsy mijerijery eny ihany aho indraindray :-)


 

 

Madagasikara sy ny Jeux des Iles (éparses)

2015-08-06 @ 14:18 in Izaho sy ny ahy

Efa natsidiko tao amin'ny facebook-ko ihany ny hevitro mikasika ilay resaka sainam-pirenena malagasy sy Catherine Paoli fa averiko kely eto. Ny Facebook mantsy mandalo (malaky be ny fanjavonany) fa ny eto mitoetra.

Izaho aloha hatramin'izay tsy dia tena mpanaraka an'ity lalaon'ny nosy ity firy. Tamin'ny taona 1990 no nalaza tamiko ny Lalaon'ny Nosy satria tany Madagasikara no toerana nanaovana azy. Lalaon'ny Nosy faha-telo tamin'izay. Raha ny tokony ho izy dia tamin'ny 1989 no tokony natao tao Madagasikara ny andiany faha-telo. Tsy vonona anefa ny fanjakàna izay teo ambany fitarihan'ny filoha Ratsiraka tamin'izany dia nahemotra ny 1990 ilay izy. Nisy rahateo ny famangian'ny Papa Joany Paoly II tamin'ny taona 1989 ka angamba tsy zakan'ny firenena miaraka.

Tamin'ity taona 2015 ity indray aho izany vao naharaka tsy fidiny ny JIOI (Jeux des Iles de l'Océan Indien) rehefa nisy korotandrotana ny fanomanana sy fanatanterahana azy. Araka ny hita tamin'ny filazam-baovao samihafa dia talohan'ny nanombohana dia efa nisy ny fifankahazoan-kevitra politika ka ny disadisa dia teo amin'i La Frantsa (La Réunion) sy i Comores mikasika indrindra an'i Mayotte. Noho ny fitsapakevi-bahoaka izay nataon'ny vahoakan'i Mayotte tamin'ny 2009 dia lasa departemanta manana zo feno ao anatin'i La Frantsa izy. Nanomboka ny 1 janoary 2014 no nihatra tanteraka izany ka lasa sainam-pirenena Frantsay ny sainy ary fitantanana Frantsay no ao aminy. Tsy nanaiky an'izany anefa ny Komorianina fa nihevitra ny Frantsay ho toa ny mpanjana-tany. Mihenjan-droa izany ny tady mikasika an'i Mayotte. Nandritra ny fanomanana ny Lalaon'ny Nosy ary dia nisy ny fanontaniana momba ny endriky ny ho fandraisan'i Mayotte. Ho eo ambany fanevan'i La Frantsa ve izy, izay nanohina ny Komorianina, sa ho toa ny teo aloha izay nananany faneva manokana. Nisy ihany anefa ny marimaritra iraisana nony farany dia ny hoe tsy hitondra saina mihitsy ny Mahorais (mponina avy any Mayotte) fa ho eo ambany fanevan'ny JIOI hatrany izy. 

Nony nanomboka anefa ny lalao, nandritra ny filaharana tamin'ny lanonana fanokafana dia nilahatra taorian'ny sainam-pirenena Frantsay i Mayotte. Ny azo inoana dia ireo mpilalao no naniry ny hitondra ny fanevan'i Frantsa satria efa  departemanta frantsay ry zareo. Tsy nankasitrahan'ny delegasiona komorianina izany fihetsika izany ka nahatonga azy ireo nanapa-kevitra ny tsy handray anjara intsony amin'ny lalao 2015. Nomelohiny ny tsy fandraisan'ny komity mpikarakara fepetra hentitra hampanaja izay nifanarahana dia ilay hoe tsy mitondra sainam-pirenena i Mayotte. Dia tena tsy nandray anjara tokoa ry zareo fa dia nody. Araka ny heno anefa dia nisy Komorianina vitsivitsy tsy nandray ilay fiaramanidina tokony hitondra ny delegasiona nody. Angamba mba nanao vakansy kely. Nalahelo noho io fanapahan-kevitry ny Komorianina io ny komity mpikarakara ka nanapa-kevitra niaraka tamin'ireo firenena mpandray anjara sisa fa tsy hasiana saina intsony mandritra ny fandraisana ny medaly ho an'ny mpandresy, ary tsy hohiraina intsony ny hiram-pirenen'ny voalohany. Izany no natao dia mba ho fanehoana fa marina tokoa ny nataon'ny Komorianina, ary koa fisakanana ny Mayorais tsy hampiasa ny saina frantsay mandritra ny fotoana fifaninanana. 

Teo amin'izay no nanomboka ny tantara nidiran'ny Malagasy. Araka ny video efa miparitaka. Raha handray ny medaly volamena ramatoakely Marthe Ralisirina izay nisalotra ny sainam-pirenena malagasy dia niantsoantso ilay ramatoa antsoina hoe Cathérine Paoli hoe "non, pas le drapeau". Dia nanatona izy ary nanala ny saina teny amin'i Marthe. Araka ilay nifanarahana tsinona dia tokony tsy mitondra saina rehefa miakatra maka medaly ary tsy misy hiram-pirenena.

Ny tena nahakivy ny maro dia ilay fomba natao ho fampiharana ny fitsipika fa tsy ny fitsipika velively. Izany hoe ilay ramatoa nentanim-po be loatra hanatanteraka ny asany no olana. Azo natao tsara ny nilaza mialoha an'ilay mpihazakazaka, ary azo natao tsara koa ny niteny moramora azy hanome ny sainam-pirenena na niantso ny mpanazatra azy hitazona ny sainam-pirenena aloha. Fa ilay fisintonana no tsy nety.

Taty aoriana moa dia nitombo tsikelikely ilay resaka nisy ny fanangonan-tsonia, nisy ny fangatahana fifonana am-pahibe-maso, nisy hatramin'ny hoe asaivo mody tahaka ny an'ny Comores ny ankizy... nefa ny antony dia mifanohitra tanteraka amin'ny nataon'ny Comores. Ny Komorianina nasainy nody ny ankizy satria tsy narahina tsara ilay fifanarahana hoe tokony tsy mitondra saina ny Mayotte. Dia ny Malagasy indray izany hody satria nasaina nanaraka ilay fifanarahana.

Taorian'iny tranga tamin'ny ekipa malagasy iny dia nifamahofaho ny resaka fitondrana saina. Nisy ny nanaparitaka ny sary niseho taty aoriana izay nisian'ireo Mahorais (izany hoe ny ekipan'i Mayotte) nisalotra sainam-pirenena teny ambony podium. Sary tsy misy idirany mihitsy satria mandritra ny fametrahana ny medaly sy fanaovana ny hira no tsy afaka mitazona saina. Sady mety efa nanenina tamin'ny fihetsika nataony ilay Catherine Paoli ka tsy niakatra intsony. Nisy kosa anefa avy eo ny nataon'ny filohan'ny departemanta La Réunion izay nitondra ny saina Frantsay sy nametraka izany teo antongotry ny mpilalaony mialoha ny hanomezany medaly azy. Ka tsy fantatra intsony hoe hifanarahana ve sa tsia.

Na izany na tsy izany dia namoaka fianalntsiny ho an'ny vahoaka malagasy ho valin'ny fangatahan'ny minisitry ny fanatanjahan-tena malagasy ny komity mpikarakara. Irariana mba hilamina izany ny momba an'iny ka tsy antsoina hody izany ny ekipa malagasy izay efa manao izay ho afany.

Raha ny fanjakana indray no andrasana hanao hetsika eo dia hiandry an'i Paoli indray. Ny "Iles éparses" izay tokony hahazoany tombony ara-toekarena maro aza tsy nasiany maso noho ny tahotra ny Frantsay, vao maika fa izay "Jeux des iles" any La Réunion no hanoherany an'i Lafrantsa? Manofinofy.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry