Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 234

Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 235

Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 234

Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 235
« | »

Venise sy Manaingazipo

2007-06-17 @ 22:01 in Izaho sy ny ahy

Nandeha kely tany Venise aho tamin'ity weekend ity (atao antso avo satria vao sambany tany :-)). Niala zoma dia tonga alahady. Nieritreritra hoe tafala teto Afrika... kay tafala tapany fotsiny. KOa satria asabotsy maraina ny fotoana novonjena tany kanefa mbola niasa zoma hariva dia voatery nandray fiaran-dalamby mandeha amin'ny alina izahay. Naharitra teo amin'ny 6h teo ho eo ny dia ka tonga tao amin'ny station Venezia Santa Lucia ny maraina tamin'ny 5 ora. Tsy tantaraiko eto ny zavatra nitranga teny andalana fa mandoto blog. Ho an'izay nanaraka ny micro-blog-ko (twitter) dia afaka nanaraka ny chapitres vitsivitsy. (Vao nojereko fa entrées 10 fotsiny no noraisin'ny twitter).

Vitsy angamba ny touristes manana an'izany chances hamangy an'i Venise amin'ny 6 maraina izany. Chances satria azo lazaina hoe hitanay tamin'ny atifanahiny i Venise fa tsy takon'ny olona sy ny tsena. Mbola ngazana ny elakelantrano rehetra sy ny tetezana. Ny rano mbola nilamina zara raha nisy lakana vitsivitsy mpanao livraisons. Mbola ireo mpanadio izay tsy manana fiarakodia fa mandray ny fako amin'ny tanana (gants mantsy e) no hitanay mameno ny toera-malalaka etsy sy eroa. Iny no hitako voalohany... tsisy fiarakodia ao Venise, tsisy moto, tsisy motera mihitsy... ankoatry ny lakana. Reharehandry zareo io fa hoe madio hono ny rivotra... madio tsisy fofon-dasantsy fa misy fofon'ny rano kosa (tsy dia azo lazaina hoe manitra). Rehefa avy nanaraka ny torolalana isaky ny elakelantrano nandritra ny minitra vitsivitsy izahay dia tonga tao amin'ny toerana iray mampalaza an'i Venise. Piazza San Marco. Mazava ho azy, mbola tsy nisy olona ihany koa satria mbola tsy naneno akory ny tamin'ny fito. Voromailala no betsaka teo... nanao douche fa angamba hiseho amin'ny touristes indray mandritra ny andro. Nisy mpivady antitra izay narahindry zareo mandrapidifiny tany anelakelatrano, dia nieritreritra izahay fa mety mba harahiny koa... saingy tsy nasiny sira. Angamba noho izahay sady tsy antitra no tsy mpivady. Misaina ihany ilay voro-mahay lala(na).

Rehefa avy eo dia nanao tour sy nijery izay points de répères izay hiverenana atsy ho atsy. Izay mantsy no tena mission natao tany Venezia: manomana ny toerana ho an'ireo izay ho avy atsy ho atsy. Saika nitovy tamin'Anosibe (@ grande échelle) andro fahavaratra i Venezia. Tsy ny resaka loto akory (na dia tsy nadio loatra aza) fa ny elakela-trano sy ny elakela-drano. Ny teny Anosibe tokoa dia tetezana no mampifandray ny trano rehefa miakatra ny rano. Ny fofona koa nitovitovy... saingy tsy nahita an'ireo Mpanaingazipo aho... ampy tsara angamba ny tetezana ao Venise fa tsy tapaka antenantenany ohatra ny tetezan-kazon'Anosibe tamin'izany fotoana izany. (Nisy tokoa dia nalaindry zalahy natao kitay ny tetezana). Dia izay i Venise, rano etsy sy eroa ka izay aleha rehetra dia nosy avokoa ampifandraisin'ny tetezana. Nohazavain'ilay nampiatrano anay rehefa avy eo ny tena tantaran'i Venise sy ny nosiny.  Nony antoandro izahay dia nandeha nanohy ny iraka tamin'ny toerana hafa indray, 30 minitra miala eo Venezia. Noheveriko fa efa niova kontinanta izahay satria dia tena hafa tsy tahaka ny eto Roma raha vao miala an'i Venezia. Madio, milamina, maitso. Efa manomboka miavonavona koa ny olona (Hafa ihany Afrika) ary manomboka manara-dalàna. Tsy azo atao intsony ny manary boatina Coca-cola amin'ny fono-mofo. Tsy maintsy sarahina. Mirehareha ry zareo hoe anisan'ny tanàna voalohany tamin'ny resaka fanasarahana ny karazam-pako. Ny aty atsimo anefa ny toerana hanariana fako aza indraindray tsy misy. 

Ny harivan'iny ihany dia vita ny mission natao. Hiverina izany izahay afaka herinandro maromaro fa nety izay nojerena. Amin'izay fotoana izay angamba aho hanaram-po kokoa amin'ny trondro izay mampalaza an'i Venezia. Hijery ilay fanamboarana fitaratra (eny Murano). Hijery ilay fanamboarana peta-kofehy ihany koa (eny Burano). Ary eny Torcello izay azo eritreretina ho iray amin'ireo fototra niavian'ny Romana. Fa rahampitso aloha dia hiverina hiasa sahady indray.

Sary vitsivitsy tany Jereo eto 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry