« | »

Veloma ianao ra-Catherine

2011-07-18 @ 08:56 in Izaho sy ny ahy

Mino aho fa efa betsaka ny olona voan'izany hoe nisy olona nitokisanao dia voatery nilaozana. Indrindra moa raha olona nianteherana hitari-dalana sy hiaraka aminao amin'ny sarotra... rehefa maizina iny ny andro. Izaho voa tamin'ny asabotsy. Tamin'ny asabotsy alina, efa hadiva hisasak'alina aho dia nanapa-kevitra fa tsy hiaraka intsony amin'i ra-Catherine.

Mafy loatra mantsy ny nataony anay tamin'iny asabotsy iny. Nanantena azy loatra ka tsy naninona na dia tamin'ny 7 ora sy sasany hariva aza va nitodi-doha nody nefa ny làlana amin'io mitohana tanteraka. Rehefa asabotsy hariva toa izany amin'izao fotoanan'ny andro mafana izao dia miadana dia miadana ny fiara rehetra amin'iny lalana avy any an-dranomasina mamonjy an'i Roma iny. Tonga saina aho hoe kay moa izahay hiditra ao Roma dia avy eo hivoaka an'i Roma indray ho aty an-trano... koa maninona raha toa ka ampiasaina ny mpanoro lalana? Dia teo no niantso an'i ra-Catherine. Dia gaga tokoa fa nanoro lalana manitsy be ra-Catherine. Ary nolazainy mihitsy aza fa mahazo tombony 20 km izahay raha toa ka manaraka ny lalana lazainy. Rehefa natao ny fandinihana maimaika dia nanapakevitra hoe aleo hanome fitokisana an-dra-Catherine satria ny làlana andavanandro mitohana rahateo. 

Dia nanomboka ary ny dia.

Tamin'ny voalohany dia nahafinaritra satria làlana mbola tsy hita mihitsy no natoron-dra-Catherine. Mitety ambanivohitra. Faly daholo ny iray fiara hoe mba nahafinaritra koa ity dia indray mitoraka ity. Miakatra, midina, miolakolana... malalaka. Nandritra ny fotoana maharitra, matetika, dia izahay irery no eny amin'ny làlana... ny andro nefa vao amin'ny valo mahery. Nahazo aina daholo satria tsy nisy fitohanana intsony.

Nandeha, nandeha, niha-maizina ny andro, kanefa mbola tsy tonga ihany. Ny anaran-tanàna nodiavina, toa anaran-tanàna tsy nampoizina daholo. Somary nanontany tena hoe hay ve mandalo amin'itony tanàna itony... toa tanàna alavitra anay loatra. Tamin'ny 10 alina dia niha-tonga saina ny mpandeha hoe lasa aiza ary isika izany. Jerena anefa ny fanoroan-dra-Catherine fa mbola manaraka tsara izay lazainy izahay. Isaky ny fiolahana izy dia mampilaza foana ohatra hoe "fra 300 metri svoltare a sinistra" (rehefa afaka 300 metatra dia mihodina miankavia)... dia arahinay ara-dalàna. Ela ny ela, tamin'ny 10 sy sasany alina dia tonga tamina tanàna anakiray izahay, tanàna fantatry ny mpandeha iray... dia mbola natoron-dra-Catherine lalana ihany. Nasainy niditra any ambanivohitra kokoa... fa làla-manitsy hono. Teo vao tonga saina hoe hita ny fikan-dra-Catherine. Satria eo amin'ilay tanàna dia misy soratra fanoroana mazava be hoe raha ho any Subiaco ianareo, dia eto ny làlana, 15 km. Ny natoron-dra-Catherine anefa tsy any mihitsy fa tonga dia manitsy dia 9 km hono. Dia samy gaga hoe raha toa ka ny and-ra-Catherine no tena haingana kokoa, maninona no tsy any no notondroin'ny fanoroana fa ilay 15 km. Izay daholo izahay vao tonga saina hoe ny km akaiky tokoa no mety lazain-dra-Catherine saingy ilay lalana tsy azo aleha malaky... noho izany ilay lalana faran'izay ela indrindra.

Teo dia notapenam-bava ra-Catherine dia nanaraka ny fanoroana ara-dalàna izahay. Izay vao mba nisosa tsara ary tonga soa amantsara tany an-trano ihany mialoha kelin'ny sasak'alina... Adin'ny 4 izany no nanaovana ilay làlana adin'ny 2 latsaka. Lesona iny, aza mba matokitoky vehivavy (na feom-behivavy aza) rehefa mitondra fiara. Koa tsy hihaino an-dra-Catherine intsony aho. Raha mbola hampiasa tom-tom dia aleo ireny misy feon-dehilahy ireny no ampiasaina... na farafaharatsiny tsy asiana feony. :-)

p.s. Ilay anarana ra-Catherine dia nolazain'ilay namanay anakiray izay avy any Paris, izany hono no fiantsoany ny anazy.

ra-Catherine
Ra-Catherine... tsy azo esorina.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry