Android mora nefa tsy foza

2013-03-13 @ 10:02 in Izaho sy ny ahy

Alcatel OT 903D

Nahita ilay resak'i DotMG momba ilay Tecno T3 tato aho dia nitady hoe aiza no mety hahitana, raha avy aty, finday mahazaka Android tsaratsara faran'izay mora nefa tsy dia foza[*]. Hitako ihany nisy Huwaei latsaky ny 60 Euros fa Android 2.1. Farany dia nahita Alcatel OT 903D aho. Novidiako tamin'ny site Amazon avy eto Italia  (Eto raha any Frantsa). Tao amin'ny amazon.it izy dia 67 Euros fotsiny tonga any antrano, fa ao amin'ny amazon.fr mbola 80 Euros mahery. 

Amin'ny ankapobeny dia mandeha tsara. Mikorisa tsara rehefa akisaka miankavia sy miankavanana. Tsy mitohatohana. Iny mantsy no olana matetika ho an'ny foza, rehefa ilay tsy mamaly tsara ny "touchscreen". Nesoriko koa ny Apps izay tsy dia ilaina dia nasiana ireo izay heverina ho ilaina matetika. Anisan'izany aloha ny Baiboly Katolika, ny Smart baiboly hijerena fihirana amin'ny protestanta, ireo apps google toa ny gmail, picasa. Ny facebook sy ny twitter moa efa tao anatiny.

Ny tsy nampoiziko tamin'ilay izy dia hay izy ity double SIM. Afaka manana fournisseurs telephoniques roa izany... vao hamorona? 

Fa ny tena tombony? Afaka tsy maka ny Samsung Galaxy-ko intsony izany i Aina rehefa hilalao ny Angry Birds-ny sy ny Hill Climb Racing-ny  fa iny no raisiny... dia tsy mifandrebireby intsony loll.

Hojerena hoe firy volana ny faharetany. Mbola tsy ho flasher-na aloha raha tsy elaela sao dia misy olana tampoka ka tsy ao anaty garanti eo intsony.


[*] foza: Iantsoako(nay) ireo zavatra vita sinoa matetika dika "mitovy", ary matetika vetivety dia simba.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry