26 jiona-n'i Roma
Omaly izany no nankalazana ny 26 jiona teto Roma. Tsy maintsy ezahina ho asabotsy alina foana fa raha tsy izany tsy misy handihizana. Efa fantatra ihany fa vahoaka mpi-fety ny Gasy eto Roma ka raha tsy misy fandihizana dia karazan'ny tsy manao fety (hafatra ho an'izay Ambassadeur vaovao ho avy eto io).
Tara
aho vao tonga (toy ny mahazatra hono tsss) ka tsy hitako izay
niatombohany. Soa ihany fa betsaka ny kaly ka na dia efa 1h30 taty
aoriana aza dia mbola afaka nibosibosika henakisoa sy ravitoto,
voanjobory sy henomby sy ny sisa ihany. (oudry tokony nalaina sary ny
kaly). Dia avy eo kilalaky en live niaraka tamin'ny mpampandihinay
mafana fo antsoina hoe "Groupe Ray amandreny". Nahafinaritra tanteraka,
saika tsy tadidy hoe sady fanaovam-beloma ny ambassadeur handeha io.
Eny e, izy koa aza moa niteny hoe aza asiana alahelohelo fa aleo fety
be. Nisy hira nahafinaritra ahy izay hotehirizina hatao amin'ny fety
manaraka... ilay tambatra Kaiamba iny (Henoy ao amin'ny radiovazogasy eto) nandraisan'ny rehetra anjara. Niakatra antsehatra daholo ny karazan'olona izay nahay dia nanezakezaka nihira. Nahafinaritra koa fa tonga ry zalahy avy any Ancona izay namana ato amin'ny serasera.org (matrix sy fehno ary nanji) dia mba niresadresaka teo.
Mbola tohizana androany amin'ny fiaraha-mivavaka ny fety.