Lahatsoratra raha tatoy

2006-11-16 @ 13:13 in Izaho sy ny ahy

Raha tatoy (ratatouille)... na kaonkalany (coq à l'ane <= asio accent circ.) no iantsoana ity lahatsoratra ity fa tsy voakitika nandritra ny andro maromaro ny blaogy.

Nifindra fournisseur-na Internet ny ao ampiasana ka efa ho herinandro izao tsy nisy connexion. Tampoka be koa ilay fanapahan'ny Albacom azy ka tsy nisy niomanana. Mahalagy be mihitsy ilay tsy misy internet fa mihainohaino daholo ny mpiasa.

Ho ahy manokana dia soa ihany fa misy internet any antrano. Ka rehefa any am-piasana dia manararaotra mijery ny framework-n'ny solaitra amin'ny local server.  Manamboatra izay tokony hohatsaraina. Novaina daholo ohatra ny fomba fidiran'ny tsirairay ao amin'ny serasera (Eo amin'ny resaka authorization). Manamboatra fomba vaovao hi-gérer-na ny menu koa fa petatoko be ilay amin'izao fotoana izao.

Fay koa Regina fa nofafainy ny rangée iray amin'ny site-ny kanefa pejy be dia be no mifaningotra amin'ilay izy. Dia voatery namerina azy tsirairay.

Tapakevitra hanatsara bebe kokoa ny site malagasy.it izany i Angie. Natao koa mantsy ny mise à jour ka efa mampiasa solaitra 0.9.5 koa ny any amin'izao. Inoana fa mba hatevitevina amin'izay io site io.

Tsy mety mandalo ao amin'ny tranontsarimihetsika Adriano Multisala ilay horonantsary The Departed kanefa tiako. Midika ve izany fa ratsy? Any amin'ny salle kely tahaka andry Alhambra izy no mba alefandry zareo. The Departed misy an'i Jack Nicholson (raha tsy diso), Matt Damon, Leonardo Di Caprio. Dia ho hita eo ihany fa raha vao mandalo ao amin'ny Adriano io dia henjehiko. Tsy manintona daholo mantsy ny film ao amin'ny Adriano amin'izao.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aogositra 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry