Hisesy ny anniversaire

2007-06-12 @ 10:01 in Izaho sy ny ahy

Ny volana jiona no volan'ny anniversaire ao amin'ny Fianakavianay. Aminay 6 mianadahy dia 4 no manana anniversaire volana jiona ny iray volana jolay ary izaho faran'ny taona. Efa nanomboka omaly izany Andry zandriko lahy 11 jiona, Haja 14 jiona, Fara zandriko vavy 18 jiona, Hasina zandriko lahy 22 jiona dia Vola sisa no 28 jolay. Rehefa dinihana dia voalohandohan'ny volana oktobra any izany no fotoam-pamafazana mba hahazoana vokatra volana jiona... nahoana ary?
Eritreritra fotsiny ity an :-) soa ihany fa tsy ho hitan'i Papa sy mama loll

Izahay tsinona maro iray trano dia mandritra ny vakansy Juillet, Aout, Septembre dia miaraka daholo ny fianakaviana. Inoako fa mandritra ireo fotoana ireo dia tena tsy nisy mihitsy fotoana mangina ho an'i papa sy mama. Telo volana be izao tsisy intimité. Ka rehefa miditra ny mpianatra dia izay izy ireo vao manao ny adidy tsy vita... dia mijinja ny vokany volana jiona.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry