Biby miam miam

2013-04-10 @ 08:15 in Tsiaro, Izaho sy ny ahy

Fampidirana lava be aloha lol. Mahaliana mihitsy ho'aho ny zavatra avoakan'ny olona amin'ny Google+ noho ny avoakany amin'ny Facebook. Tsy laviko fa arakaraka ny olona. Fa amin'ny Facebook matetika dia somary maivamaivana saingy matetika ny fifampizarana. Ao amin'ny Google+ koa dia misy fifampizarana somary mahalana fa betsaka ny mavesa-danja. Ao amin'ny fb ohatra dia fiarahabana ny maraina miaraka amin'ny andininy ao amin'ny baiboly, ao no ahitana hoe tena lasa mpivavaka be daholo ny Malagasy. Dia rehefa atoandrotoandro iny dia resaka hoe noana sns, fa mbola misy andininy ao amin'ny baiboly koa, ilay misy sarisary ao ambadiky ny soratra. Ilay sary amin'io hitanao intelo na in'efatra, raha manana namana maro toa ahy. Ny sary mety efa hitanao afak'omaly tamin'ny olona iray no hitanao amin'ny namana vaovao hafa indray satria nanaitaitra azy dia nozarainy. (Misy an'ilay sarina henan'alika iny izao efa hita izao fa fopla mbola afindrafindra etsy sy eroa ihany grrr). Dia amin'ny hariva indray resaka bonne nuit sy jiro tapaka. Eny antsefatsefany eny moa misy ny lagy amin'ny connexion, ny ilaozan'ny sipany dia tiany ho fantatry ny olona rehetra... na tia loatra ny sipany saingy tsy hainy hoe misy message privé koa ao amin'ny fb. :-) Ny ao amin'ny Google+ aloha hatramin'izao mbola tsy tena toa izany.

Fa tsy izay mihitsy no resaka androany. Voalazako fotsiny iny satria tao amin'ny lahatsoratra iray navoakan'ny Cnet tao amin'ny Google+ androany no nakàko inspiraka. Talohan'ny nahazoan'i malala finday misy Android dia "Snake" ihany no mba lalao tao anatin'ilay finday taloha. Izy sy ny boay kely moa no mifaninana amin'iny. Efa nandraman'i boay kely daholo ny niveau rehetra hatramin'ny Level 20, misy na tsy misy rindrina misakana. Ny azy moa tsy misy calcul firy afatsy ny hoe tsy midona, dia mihinana. Hainy mihitsy ny mamono ny feo aloha (satria sao bedin'i dada rehefa manenoneno), dia manokatra izay niveau nijanonany, dia milalao. Ny iantsoany an'i lalao io dia hoe "Biby miam miam" ka rehefa nitady an'ilay finday izy dia izay fotsiny no morsa.

Koa ito ara misy sary izay mampiseho ny fika azo arahina raha tena te hahavita an'ilay "Biby miam miam" original. Izany hoe ilay tsy misy rindrina sy loko hafa. Ny tanjona fotsiny dia mihinana ny "paoma" sy tsy mihinan-tena.

Ny hitako dia tsy maika hihinana "paoma" mihitsy fa mila somary manalavi-dalana mba hahafahana tsy midona.

Ao amin'ny market iPhone sy Android dia samy misy version mitovy amin'io original io ka azo alaina raha te hanandrana hilalao indray. 

Amin'izao i boay kely efa tsy manao biby miam miam intsony satria efa tsy ampiasaina intsony ilay finday taloha... fa efa miditra amin'ny lalao avo lenta indray nefa lolll

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry