« | »

Jeu des septs erreurs (aka Tags)

2008-03-13 @ 09:23 in Izaho sy ny ahy

Efa niteny moa hoe hamaly "tag" rehefa miverina ny internet ao an-trano koa dia indro ary holazaiko ny diso tsiambaratelo fito. Ity izany no valin'ny fihantsiana nataon'i ikalamako (mako tato) sy i pitou (échechiste tato) sy izay nanao daka tsy hita maso rehetra.
Averina ihany ny fanazavana ny atao hoe "tag". Inona aloha no atao hoe "tag" izay nivezivezy teto amin'ny blaogy, sy tany @ blaogy hafa koa? Karazana lalao izy ity. Rehefa misy mi-tag (manamarika ianao) dia tsy maintsy milaza tsiambaratelo fito dia avy eo afaka mi-tag olona hafa. Tsy afaka mi-tag raha tsy mamaly an'ilay tag aloha :-)

Maro be ny tsiambarateloko :-) kanefa fito monja moa no angatahinareo ka somary sahirana ihany aho :-). Aleo angamba izay tsiambaratelo tsy ampoizinareo no holazaiko.



1. Haiko kokoa ny zavatra tsy ampianarina ahy. Donto aho angamba fa rehefa ezahina ampidirina ao andohako ny zavatra iray dia vao mainka tsy haiko. Raha izaho anefa no avela hianatra azy manokana dia haiko tsara. Ohatra, lomano, filozofia,

2. Tiako kokoa ny manao asa-tanana fanaon'ny vehivavy noho ny manao asa-tanana fanaon'ny lehilahy. Tiako ny manjaitra noho ny mandrafitra. Tiako ny manasa lamba sy vilia noho ny miasa tany. Efa misy vehivavy nefa ao an-trano ka manjary tsy afaka manao na inona na inona aho.

3. Tiako ny manana zavatra maro, kanefa vitsy na iray ihany no tena ampiasaiko. Ohatra manana kiraro maro aho fa iray na roa ihany no tena ampiasaiko. Manana blaogy maro be @ internet aho kanefa tsy misy idirako sy anoratako akory. Manana vehivavy namana maro be aho... kanefa iray ihany no vadiko.

4. Mbola tsy fantatro foana hatramin'izao hoe ny ahoana no tokony ho fipetraky ny "lunette" amin'ny WC. Eo ambany foana ve sa eo ambony foana. Izany hoe rehefa isaky ny hipetraka ve vao tokony hampidina azy sa rehefa hivalandrano ny lehilahy no tokony hampakatra azy. Misy mantsy ilay hoe "avereno amin'ny toerany ny zavatra rehefa avy ampiasaina"... fa aiza ilay toerany?

5. Olona tena littéraire aho saingy ny zavatra "litteraires" rehetra ianarako tahaka ny manao matematika sy informatika. Ohatra hoe manoratra tononkalo aho fa tsy poeta. Mahazo naoty ambony amin'ny filozofia aho fa tsy filozofa.

6. Mivavaka aho alohan'ny hatory. Efa hatramin'ny mbola kely io no nizarana anay ary tohizako hatramin'izao.

7. Gravy be aho raha hitazona tsiambaratelo. Tsy misy tsiambaratelo lazaina ahy ka voalazako amin'ny olona... matoa mbola voalazako dia tsy tsiambaratelo izay, na tsy notenenina tamiko hoe tsiambaratelo. Tsy nisy tsiambaratelo izany ireo nolazaiko anareo ireo :-)

Wééé.. afaka mi-tag olona amin'izay izany. Ireto ary no olona taguer-ko ka angatahiko hamoaka sécrets fito :

Tosoa: http://my.opera.com/elsifaka/blog/ ... sa efa misy any an-kafa?
Tattum: http://tattum.canalblog.com ... t'es toujours si sérieuse? :-)
tomavana: http://tomavana.wordpress.com ... pour sortir un peu de la météo

 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry