Ampiasao ny Fahana RSS
Amin'izao fotoana izao dia miha-betsaka hatrany ireo takelaka mahaliana, indrindra fa takelaka malagasy sy blaogy. Tsy araka anefa, na koa tsy tadidy, ny mijery azy ireny tsirairay. Ary misy koa tsy voatery jerena isanandro satria tsy miova isanandro. Koa fomba iray hahafahana mijery ny zava-baovao amin'ireny takelaka ireny dia azo ampiasaina ilay atao hoe Fahana RSS.
Inona moa ny Fahana RSS
Ny Fahana RSS (Really Simple Syndication) dia famintinana na lahatsoratra manontolo mampiseho ny zava-baovao eo amin'ny takelaka iray. Ny lahatsoratra farany, ny vaovao farany, na ny sary farany matetika no asehony. Rohy iray no sokafana dia manome ireo famintinana ireo.
Aiza no hahitana ny Fahana RSS
Matetika dia asehon'ny tompon'ny takelaka avy hatrany eo amin'ny pejy fandraisana ny rohy ahafahana maka ny fahana RSS. Matetika dia eny amin'ny sisiny ambany indrindra na amin'ny farany ambany amin'ny takelaka no misy azy rehefa aseho avy hatrany. Matetika koa dia fantatra avy hatrany amin'ny sary kely miloko lokomboasary (orange) tahaka ity na koa tahaka ity na koa
Raha mampiasa Firefox moa dia tonga dia hita avy hatrany ery ambony ery ny rohy misy ny fahana RSS-n'ny takelaka iray.
Fomba famakiana ny fahana RSS
Koa satria isaky ny takelaka dia manana rohy iray farafahakeliny, dia miverina ihany ilay olana hoe adino sy tsy araka raha toa ka voatery hamangy an'ilay rohy misy ny fahana RSS isanandro.
Misy ary amin'izao ny fitaovana izay ahafahana manangona ireny rohy ireny ary mamaky azy manontolo amin'ny fomba tsotra. Ny fitaovana ampiasaiko, amin'ny windows, dia ilay atao hoe Feedreader izay azo alaina maimaim-poana ao amin'ny http://feedreader.com
Io fitaovana io dia afaka ampidirana sy itehirizana rohy RSS maromaro, ka rahefa misy zava-baovao amin'ny takelaka iray, izany hoe miova ny fahana RSS iray, dia asehony avy hatrany. Hitanao hatrany izany ny takelaka miova ka anjaranao avy eo ny mamangy ilay takelaka raha toa ka hamaky lalindalina kokoa.
Fomba fampiasana ny Feedreader
Fampianarana tsotsotra amin'ny fampiasana ny Feedreader.
Alaivo ao amin'ny feedreader.com ilay fitaovana (na Alaivo eto avy hatrany 5,15MB) dia ampidiro (install) ao amin'ny ordinatera.
Toa izao ny zavatra hitanao voalohany rehefa misokatra ilay izy. Tsindrio ny sary raha hijery lehibebe kokoa.
Azonao atao amin'izay ny mampiditra rohy RSS vaovao (Nouveau fil RSS) ohatra :
http://hery.blaogy.com/rss/rss10/4 dia tsindrio ny OK
Mitady ny lahatsoratra izy rehefa avy eo dia mamoaka toa izao. Azonao tsindriana amin'izay izay hovakianao. Raha toa moa ka te hamaky lalindalina kokoa ianao dia afaka mamangy ilay takelaka.
Rohy Fahana RSS vitsivitsy azo jerena
Ireto ny vitsivitsy azonao ampiasaina hanombohana azy. Anjaranao ny mitady ny hafa.
- Blaogiko: http://hery.blaogy.com/rss/rss10/4
- Lahatsoratra farany ao @ blaogy.com: http://blaogy.com/rss.php?summary=1
- Ao amin'ny blaogy.org: http://blaogy.org/wpmu-rss.php
- Hevitra vaovao ao amin'ny forum.serasera.org: http://feeds.feedburner.com/serasera/forum
- Tononkira tonga farany: http://tononkira.serasera.org/media/tononkira.xml
- Namana vaovao ao amin'ny namana.serasera.org: http://feeds.feedburner.com/serasera/namanavaovao
- Vaovao farany radiovazogasy.com: http://feeds.feedburner.com/rvg
- Vaovao rehetra avy any Madagasikara: http://feeds.feedburner.com/malgache
Fitaovana hafa
Ireto misy fitaovana vitsivitsy hahafahana mamaky fahana RSS ho an'ny windows
- RssReader http://www.rssreader.com/
- RSS News Reader http://www.ukonline.be/prog/RSSNewsReader/
- SharpReader http://www.sharpreader.net/
Ireto indray dia ahafahana mamaky azy amin'ny internet. Izany hoe tsy voatery mametraka zavatra amin'ny ordinatera.
- Google Reader: http://google.com/reader (tsara)
- News is free: http://www.newsisfree.com/
- Netvibes: http://netvibes.com
- FeedBucket: www.feedbucket.com
- sy ny hafa
Dia mazotoa ary.
Hevitra