Tahotry ny zazakely

2010-08-25 @ 12:58 in Izaho sy ny ahy

Nisy fotoana elaela izahay tsy nandefa tele satria tsy tongan'ny satellite eny aminay fa ao ambadiky ny tendrombohitra. Nahafinaritra ery ny fiainana tsy nisy télé zany :-)

Taty aoriana rehefa nahazo digital terrestre dia nanjary nisy télé indray tao an-trano. Tia télé loatra be mantsy i Aina.

Tsapako nefa fa misy zavatra mampatahotra azy amin'ny zavatra sasany mandeha eo amin'ny télé. Tsy voatery film satria raha vao misy film dia efa voasivana be mihitsy vao alefa, fa na dia dokam-barotra aza. Miezaka mijery izy fa hita hoe sady matahotra. Dia indraindray aza somary miala lavitra, ambadiky ny canapé ohatra.

Ity pub iray ity izao anisan'ny mampatahotra azy. Vao manomboka ilay pub (mbola tsisy mikotaba na inona na inona akory) dia efa lasa izy miafina alavitra. Angamba vokatry ny nahitany azy tamin'ny voalohany dia fantany ny tohiny.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry