« | »

Getting more personal

2008-10-16 @ 07:33 in Izaho sy ny ahy

Ny lohateny fotsiny no teny anglisy. Miverina amin'ilay resaka hoe "Inona no misakana anao tsy hanana blaogy" aho. Hitako fa ny tena misakana ahy tsy hanoratra matetika dia tsy hoe ny hosoratana no tsy misy fa izay tiako hosoratana rehetra toa zavatra mikasika ahy manokana avokoa. Tamin'ny mbola tsy be mpamaky ny blaogy dia tsy olana firy, fa rehefa manomboka betsaka ny mpamaky, ka miparitaka amin'ny RSS etsy sy eroa, dia misalasala ihany ny tena hanoratra.

 

Lasa toy ny manao tadimody (cercle vicieux) ilay izy izany rehefa tena dinihina. Rehefa manoratra betsaka kokoa ianao dia be mpamaky kokoa, dia voatery manoratra betsaka kokoa, kanefa ny betsaka misy dia ny fiainanao andavanandro... dia lasa ho blaogy manokana be ilay blaogy.

... Dia maninona anefa?...

Fa angaha moa voatery ho an'ny olona no hanaovana blaogy? Fa angaha tsy hitehirizana izay zavatra mitranga fotsiny koa toy ny diary?

Fa angaha moa rehefa hoe zavatra manokana dia ho ratsy?

Fa angaha moa hisy hivaky loha amin'izay momba anao manokana any raha tsy hoe malaza ianao? Ah, raha mamoaka ny fiainanao manokana ianao no mbola misy liana mamaky ihany ny olona dia efa manomboka malaza izany :-) ka inona no olana?

Fa angaha moa izay tian'ny olona hovakiana no soratana fa tsy izay tianao hosoratana no vakian'ny olona?

Fa angaha moa terena hamaky ny blaoginao ny olona?

... Noho izany...

Hiverina hiblaogy indray aho, ary ho betsaka ny zavatra manokana isankarazany. Toy ny hoe herintaona toa izao izahay no nandeha tany Dago. Toy ny hoe efa mitondra fiara indray aho izao rehefa avy tsy nitondra nandritra ny 8 volana. Toy ny hoe efa mahatratra 70 kg aho izao (grrr) sy ny sisa.

Asakasak'izay hamaky :-)

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry