« | »

Fahotàna ve ny mi-emule?

2008-10-17 @ 08:01 in Eritreritra mandalo

Raha mbola tsy hitanao ilay soratro hoe Getting personal dia jereo aloha alohan'ny hilazàna hoe "izany koa dia tantaraina amin'ny blaogy"... satria tafiditra ao anatin'io ity resaka ity. Fahotana ve ny mampiasa emule? ENY. Fa izany hoe amin'ny lafiny hafa mihitsy ny maha fahotana azy.

Ilay rangahy iray io mampiasa emule hakàna film sy hira 24 ora isanandro. Izay maha ara-dalàna sy tsy ara-dalàna ny hira na ny sarimihetsika alainy tsy olana amiko firy. Azy sy ny lalàna zany. Fa ny tena mandreraka ahy dia lasany daholo ny tosaka tokony hifampizaran'ny mpiasa maro. Marina fa 3mb/s no voarainay, saingy rehefa mandalo fitaovana maromaro sy ifampizaran'ny olona maromaro dia kelikely sisa no tonga ao amin'ny rihana misy ny biraonay. Dia mbola alain'ilay rangahy io indray ny 3/4 -ny. Isaky ny tonga ao amin'ny biraony aho mahita ilay izy misokatra dia milaza foana izy hoe efa nataoko kely dia kely... 100kb/s hono dia kely. Ny lisitry ny films voarainy amin'izany efa tsy hay lazaina intsony. Vokany? Tsy vitako foana ny asako (tsy dia olana loatra) sy ny tsy asako (olana be).  Marina fa rehefa tsy misy na miadana loatra ny connexion dia fotoana fakàna aina izay ho ahy... satria tsy afaka miasa. Saingy olana be satria tokony rehefa tsy miasa dia afaka mi-karajia @ chat, mi-facebook, mi-skype, mi-serasera.org... tsy misy daholo koa anefa izany ary izay no tena mampalahelo sy mankarary fo.

Rehefa mankarary fo olona, rehefa manao izay mampalahelo ny namana, rehefa mitondra fanafitohinana ho an'ny namana dia efa manota izay. Fahotana goavana izany ny mampiasa an'io eMule io... ka manana zo aho hanala azy amin'izany fahotana izany :-)

1. Izaho no miandraikitra ny réseau ao ampiasàna. Vao hitako tamin'ny boky teo fa azo atao dia azo atao ny mametra ny bandwidth isaky ny IP amin'ilay router Zyxel. Koa mba ho fanavotana anao amin'ny fahotanao dia hoferana ny tosaka miditra ao amin'io ordinateranao io.

2. Ankoatr'izay, mba ho fantatrao fa tsy mety ny ataonao dia hampiasa emule ihany koa aho rahampitso tontolo. Fantatro fa ratsy izany saingy mba hanehoana anao fotsiny hoe ratsy dia ataoko.

3. Ary izay film nalainao ve mba azoko fantarina hoe inona avy? Raha toa mantsy ka misy mahaliana ahy dia azoko hahena ny sazy saika hataoko eo amin'ny 1 sy ny 2 etsy ambony. 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry