« | »

Baiboly katolika malagasy

2007-08-06 @ 15:27 in Izaho sy ny ahy

Azo atao hoe vita androany ny takelaka baiboly.katolika.org izay takelaka nametrahana ny baiboly katolika dika 1938. Efa ao sy azo vakiana daholo ny lahatsoratra fa mbola mikofoka ao ikalamako (Rondro Ravalson) amin'ny famakiana azy hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ary manitsy izay tokony hahitsy, indrindra eo amin'ireo andininy tokony hotapahina.
Ny lahatsoratra amin'io baiboly io dia azo manontolo tany amin'i belle (Isabelle Razafimanalina) izay efa nanomboka nametraka ny lahatsoratra ho elektronika tamin'ny taona 2001 tany ho any. Efa nandalo fanitsiana avy taminy ihany koa ny lahatsoratra rehetra vao nalefany taty amiko. Avy eo dia nahitsy indray ny resaka tsindrim-peo rehetra sy ny tsipelina sasany. Ary amin'izao fotoana izao dia mbola mandalo maso hafa indray.  Na izany aza anefa dia mety mbola hisy hadisoana ihany koa afaka milaza aty aminay ([email protected]) izay sendra mahita.

Miaraka vita sy miseho ao amin'ny takelaka baiboly.katolika.org ihany koa ny vakiteny isanandro. Io dia manaraka ny litorjian'ny Fiangonana Katolika Romana. Ny rohy mampiseho ny toko sy andininy vakiteny dia mandeha avy hatrany ao amin'ny baiboly.katolika.org

Inoana fa hanampy ny rehetra hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra hatrany ny zavatra toa izao. 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry