« | »

Fitaterana eto Afrika

2008-06-27 @ 05:19 in ItaliAfrika

Efa ela mihitsy aho no te-hizara aminareo ny fitaterana eto ItaliAfrika fa izao vao vitako... sady nisy sary nahafahana nanohana ny fitarainana Smile

30mn ritardoNy momba ny fitaterana io tokoa mantsy no tena itovizan'i Italia amin'i Afrika, sy itovizan'ny Italiana amin'ny Afrikana. Eo amin'ny resaka hatsaran'ny fitaovana aloha, dia eto Italia angamba no anisan'ny misy fiaran-dalamby sy tram tranainy indrindra. Mifangaro eto tokoa aloha ny vaovao sy ny tranainy e. Angamba efa zatra an'ilay fisainana mpitahiry, ka tsy foy ny manary ny tena efa gola. Na koa angamba mariky ny fahantrana izany.

Eto Italia koa no nahitako fiaran-dalamby anisan'ny maloto indrindra. Mba efa hitako ihany ny fiaran-dalamby tany ambanivohitr'i Frantsa fa toa tsy misy itovizany.

Ny Italiana sy ny fanadihadiana nataony dia milaza fa mihoatra ny 60%-n'ny fitaterana an-dalamby no misy fahatarana mihoatra ny 5 minitra... dia toa efa zatra indray ny olona dia tsy miteny firy intsony. Omaly ohatra dia tara 40 min be izao ny fiara noraisiko. Isanandro izy tara 5 na 10 ka tsy dia maninona loatra fa ity indray mitoraka ity kosa dia efa be loatra... saingy mbola tsy maninona ihany ny ItaliAfrikana fa dia misisika tsara tahaka ny any Afrika.

trenosesika

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry