« | »

Fete de l'Internet: Ho ao ny Telomiova

2008-06-25 @ 13:47 in Vaovao

Dia am-pifaliana no hilazana amintsika sy hanasana antsika rehetra fa handray anjara mavitrika ao amin’ny "Fete de l’Internet" ao amin’ny Hotel Carlton (Hilton teo aloha) ny Telomiova amin’ny 28-29 jiona 2008 izao.

Telomiova-stick-100Ny Telomiova moa dia fikambanana iray izay manana tarigetra hampirobo be be kokoa ny fikirakirana internet ao Madagasikara mba handraisana anjara amin’ny fandrosoana. Ny teny telo hijoroany dia hoe "Internet, Malagasy, Mivelatra". Amin’izao "Fete de l’Internet" izao dia manana ny tranoevany (stand) ny Telomiova.org miaraka amin’ny Jojopil izay miara-miasa manokana ihany koa amin’ny tetikasa telomiova. Miara-miasa manokana amin’izao hetsika izao ny ao amin’ny namana Serasera.org, Infogasy.net, andalanamusic.net sns. Koa raha ao Antananarivo ianao na afaka mandalo ao dia aza adino ny mandalo ao amin’ny Tranoevan’ny Telomiova/Jojopil

Telomiova-banniere-2jojopil

Inona avy no ho hita ao?

  • Famelabelarana momba ny Telomiova sy ny tetikasany
  • Fanomezana logiciels ilain’ny mpianatra sy ny mpikirakira ordinatera
  • Fampahafantarana ireo tetikasa tohanan’ny Telomiova
  • Fampahafantarana ireo takelaka miara-miasa sy manohana ny Telomiova

Raha toa moa ianao ka te handray anjara hiara-miasa amin’ny Telomiova na dia tsy mikasika io "Fete de l’Internet" io aza dia afaka mitsidika ny takelaka http://telomiova.org na manoratra amin’ny [email protected]

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry